Lioka 19: 1 – 10

Misy karazana Zakaiosy :

Zakaiosy talohan’ny nahafantarany an’i Jesosy kristy. Mpamory hetra tao an-tanana. Fantatry ny olona rehetra. Izy no nitety trano nanangona ny hetra.. Ity mpamory hetra ity dia nalaza ratsy satria nanao zavatra tsy nety izay diso tafahoatra. Izy ihany no niaiky izany. Samy iarahamalala fa tsy dia mavitrika loatra ny olona handoa hetra satria vola miala amin’ny karaman’ny tena. Nefa ilaina tokoa ny hetra.

Azo vinavinaina ny momba fiasan’ilay mpamory hetra hoe :  nampitomboiny betsaka ny hetra, na hampitahorany ny olona hakany hetra mba handoa betsaka, na koa hampifilafilainy  raha sendra fantany fa nisy zavatra tsy mety nataon’ny olona. Izay amboniny tsy tokony ho harotsaka amin’ny fanjakana dia azy avokoa. Lasa nanakarena tokoa izy noho izany. Ary satria toy ny manapahefana izy dia natahotra azy ny olona. Tsy eto amin’ny filazantsaran’i Lioka ihany no hahitana tantara tahaka izany. Fa misy izany eran-tany. Na dia atao aza hoe : efa nisy ny fivoarana betsaka.

Zakaiosy nihaona tamin’i Jesosy kristy. Rehefa tafavory maro ny olona fa hihaona amin’i Jesosy Kristy dia teo koa izy . Nahagaga ny rehetra izany . Nahoana no olona mpanao asa ratsy no tonga eo hitady an’i Jesosy. Niakatra teny ambony hazo mihitsy aza mba ho tazana izy. Tamin’io fotoana io dia  hitan’i Jesosy ary nojereny.Nantsoiny. Nolazainay fa hiditra any an-tokatranon’i Zakaiosy Jesosy.

Nahazendana ny rehetra izany. Misy fiangarana ve ? Tsy nanaonao foana i Jesosy fa nojereny tsara ary fantany ny tao antsain’i Zakaiosy : « Fiovam-po tanteraka »

Ny voalohany : fanirina  hatonana ilay Zanak’Andriamanitra.

Ny faharoa :niaiky heloka taminy.

Tsy niafina tamin’i Jesosy izany na dia tsy nazava tamin’ireo vahoaka teo.

Tamin’izay fotoana izay koa dia nahavariana ny fihetsiky ny vahoaka fa nanenjika an’i Zakaiosy rizareo. Toa milaza izany fa tsy zakan’izy ireo ny fiovam-pon’i Zakaiosy. Tsy ekeny ny hifaneraseran’i Jesosy tamin’ity olona izay nanao tsinontsinona azy ireo.Satria nangalatra ny fananany ankolaka

Zakaiosy nanao finianihanana . Hamerina ny nalaiko aho hoy izy. Averiko inefatra heny izany. Nino izay nolazainy Jesosy. Ninony fa hanatanteraka izany ity rangahy ity. Raha izany no tanteraka dia vola be no ho averin’i Zakaiosy. Indrindra raha efa taona maro izy no mpamory hetra.

Amin’izao fihetsik’i Zakaiosy izao dia nolazain’i Jesosy fa «  voavonjy ireo izay ao antokantranon’i Zakaiosy ».

Sarotra amin’ny maro ny hanaiky fa ny finoana fotsiny an’i Jesosy Kristy dia hahavonjy. Misy ny famonjena  eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pinoana ary maimaim-poana izany . Fa tsy maintsy kosa manamboatra izay zavatra nosimbana ary manarina izany eo antrehan’ny lalana. Izay no mahatonga ny hoe : efa niaiky ilay olona fa nangalatra na namono olona nefa dia nosazina na nogadraina ihany.

 Misy dia misy tokoa ny olona toa ity mpamory hetra ity . Misy henjehin’ny eritreririny. Fa saingy  tsy mampiseho izany. Naka vola be tamin’ny olona. Iray tsikombakomba tamin’ny mpiara miasa aza dia nozaraina ny tombony .  Ireny no atao hoe : Zakaiosy miafina. Inona moa no antony hakana sy hampiasana ny hetra ? Firifiry ny naka an-keriny na an-kolaka vola ka nanodikodina izany ? Tsy voatery hoe ny mpamory hetra ihany fa raha miresaka vola dia toa mampikolay amin’ny lafiny maro indrindra ao amin’ny tany sy ny toeram-piasana hisin’izany.

Zakaiosy te hiova nefa tsy afaka fa tazonin’ny namany izay niray tsikombakomba ka voafatotr’izany.

Zakaiosy te hiova ary vonona amin’izany. Io ihany no hahita fifaliana sy fiadanan-tsaina.

Zakaiosy moa no anarana voalaza eto. Fa raha soloina anarana hafa dia makarary andoha. Ny fomba fihetsika sy fiasa toa izany dia manalavitra ny Tompo Andriamanitra.

Ny fomba fihetsiky ny vahoaka dia tsy mahagaga satria tsy manana fahatokisana intsony. Nefa dia takina aminy  koa ny fanekena fa ny olona izay nihataka tamin’ny fahamarinana Andriamanitra dia anisan’izay tadiavin’Andriamanitra indrindra.

Raha misy milaza fa tsy mana-pahadisoana izy fa marina dia asa na ahoana ny fahasambarany ! Fa izay miaiky ny helony tsy misy

fihatsarambelatsihy dia ho sambatra kokoa. Satria niditra ao ampony ny Tompo.

Koa ho an’izay manaraka an’i Kristy dia tsy mora ny fanarahana azy. Na eo amin’ny toeran’i Zakaiosy na eo amin’ny toeran’ny vahoaka.Satria vao jeren’ny Tompo ianao na izaho dia fantany ny an-tsaina. Tsy misy miafina. Tsy azo ambakaina Andriamanitra. Izy no manana ny « Fahamarinana sy ny Hery » izay tsy mitovy amin’ny fahamarinana sy ny hery an’izao tontolo izao. Amena.