Fomba fanaon’i Arilaza Randriamahefasoa ny manao lahatsoratra fohy rehefa misy fahoriana ao amin’ny fianakaviana. Indro ny lahatsorany sy ny an’ny zanany vavy Manda Randriamiharizaka tamin’ny fodiamandrin’i Lys Arphine RALAZARISOA ny 14 aogositra 2013.

Fahatsiarovana an’i Mlle Lys Arphine Ralazarisoa: Asabotsy 17 aogositra 2013

Mafy raha mafy ny maty havan-tiana. Toy ny elatra misaraka amam-borona, toy ny laingo misara aman-kazo, ka sady maharary no saraka aman’aina. Fa lahatra tsy azo ialàna ny fahafatesana, ary tsara zara, ka samy manana iray avy ny miankandrefam-baravarana rehetra. Manana aina ka mety maty, tsy mpandahatra fa alahatra, tsy mpanolotra fa tolorana ary tsy mpizara fa mandray…

Ny fasana anefa no miandry mahazo, fa isika kristiana kosa dia miandry ny fiantsoan’Andriamanitra antsika hody any Aminy, araka ny tenin’i Jesoa Kristy Tompontsika manao hoe : “Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa » (Jao 4 : 1-3). Koa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra (II Kor 5 : 1). Fa Kristy no anton’ny ahavelomantsika, ary ny fahafatesana no hahazoantsika tombony, satria rehefa miala eto isika, dia ho ao amin’i Kristy, izay tsara lavitra noho ny eto (Fil 1:21-23). Ary ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika rahatrizay (Rom 8 : 18).

Koa izany no tsy hahalahelovantsika tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana eo anatrehan’ny fahafatesana (I Tes 4: 13). Fa na dia malahelo aza ny tarehintsika, noho ny fitiavantsika ny havana nodimandry, dia faly kosa ny fontsika, satria mino ny fisian’ny fiainana mandrakizay izay andraisan’Andriamanitra ny mpino (Mpit 7: 3).

Izany koa no antony isaorantsika an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona antsika amin’ ny fahoriantsika rehetra, mba hahaizantsika mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin’ ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra antsika (II Kor 1: 3-4).

Raha raisintsika, ka iainantsika tokoa izany fampiononana omen’Andriamanitra izany, dia izany no hiaro antsika amin’ny fahakiviana sy ny famoizam-po. Koa ny fahatsiarovana rehetra mikasika ny havana lasa, dia tsy afaka handrotidrotika ny fo sy saintsika, fa ho antom-pisaorana sy fanomezam-boninahitra Azy kosa, satria hankasitrahana eo imasony ny fahatsiarovana ny marina (Oha 10: 7).

Ny fahatsiarovana an’i Arphine ve ? Tsy hary ho voatanisako eto avokoa izany, fa izay misongadina ao an-tsaiko amin’izao fahalasanany izao ihany no ho lazaiko.

Na dia zaza fahadimy aza izy, dia nitàna ny toeran’ny zoky nahazandry ny tenako tao an-tokantranon-dray aman-drenintsika. Ny antony angamba dia noho ny fisian’ny elanelan-taona bebe ihany teo aminareo efatra mianadahy voalohany sy izahay zandry taty aoriana.

Ataoko fa tena noraisiny tam-po marina io toerana nomena azy io, ka izany no antony tsy nanambadiany. Izany koa no heveriko ho nahatonga azy ho nivantambantam-piteny sy henjankenjana teo amin’ny fifandraisana tamintsika zandriny. Tsy dia azo alahatra ho toetra ratsy akory izany, na dia sarotsarotra tamintsika ihany aza ny fanatrehana azy, satria nahitana avy hatrany ny tao am-pony. “Efa fantatrareo, hoy i Mama, fa izany no toetrany, ka nahoana no mbola ataonareo mandratra fo ihany ? Ny mangina tsy mifamaly no fanafodiny”.

Na dia saro-piaro tamintsika zandriny tokoa aza i Arphine, na dia tia nanao vazivazy zary tenany sy tia nanindrontsindrona tamin’ny fitenenany aza izy, dia tena zoky niara-niantsoroka tamin’i Papa sy Mama ny fitaizana sy fanabeazana antsika. Tsy nitsitsy anatra, torohevitra sy fanitsiana izy tamin’izany. Tsaroako tsara fa na dia efa tany amin’ny kilasy ambonimbony ihany aza aho dia mbola notereny hanao sora-kaliana ihany, noho ny fahitany ny faharatsian’ny fomba fanoratro. Zoky natahorako tokoa i Arphine fony aho mbola kely. Nefa rehefa niakatra teo amin’ny fahadimy ambin’ny folo taonako teo ho eo aho, dia naka ahy nitanila izy, mba hananarana ahy hoe : “Tsarovy fa efa vita ny fitaizana sy fanabeazana anao. Ka na inona na inona hataonao, dia tsy hiala amin’ny lalan-tsara nanolokoloana anao ianao”. Nandrisika ahy niaraka tamin’i Mama hianatra mozika izy, saingy tsy nahatozo izany aho. Nandrisika ahy hihira tany amin’ny radio koa izy, fa tsy taitra tamin’izany aho. Nandrisika ahy ho tia mikarakara zaridaina koa aza izy, fa tsy nahoako izany. Fa anisan’ny zava-dehibe nataony tamiko dia nampianatra ahy hahay mifidy izay namana tokony hiarahana, mba tsy hahavoasarika ahy ho any amin’ny lalana mampidi-doza. Maro ny namana nialako noho izany.

Fa vehivavy nioitra, raha i Arphine. Rehefa vita ny fianarany, dia nanomboka nampianatra tao amin’ny Sekoly Madera izy. Avy eo izy dia lasa nanovo fianarana tany Cambridge, tany Angleterre indray. Rehefa nody izy, dia lasa mpampianatra teny anglisy tany amin’ny kolejy misiona, toa an’Ambodinandohalo, alohan’ny nidirany hiasa tao amin’ny FISA, izay nitanany toerana ambony mandra-pisotrony ronono. Nandritra ny fotoana niasany dia tsy nitsahatra nividy tany sy trano izy, ankoatr’izay nomena ho lovany.

Tsara fanahy sy tia havana koa i Arphine. Nanana fifandraisana tsara tamin’ny havany rehetra izy. Fony nianatra taty am-pitan-dranomasina izy, dia nanao izay azony natao mba hahafahan’ny zandriny, ny zanaky ny mpiray tampo taminy sy ny havany nandrato fahalalana taty an-dafy koa. Tsy ho adinonay mianakavy kely mihitsy ny fandraisana sy ny fikarakarana nahafatrapo nataony anay tao an-tokantranony, tamin’ny fotoana nandehananay naka rivotra tany an-tanindrazana. I Papa, tamin’ny fotoanan’ny fahalehibeazany, raha nitantara ny fitsimbinany azy mivady, dia tsy nisalasala nanambara hoe: “Raha i Arphine aloha, dia tena zanaka mihitsy e !”.

Raha ny asa fanompoany tao amin’ny Fiangonana indray no ambara, dia azo lazaina fa feno dia feno tokoa. Tao ny Sekoly Alahady izay naha-mpampianatra sy naha-filoha azy, tao ny kristiana tanora, tao ny sampana dorkasy, tao ny asa fanompoan’ny diakona. Manampy ireo ny fikambanana Mpiaradia sy ny fandraisana anjara hira na fanaovana antsampanahy hanafanana fotoan-dehibe tany amin’ny Fiangonan-drazana sy fiangonana any ambanivohitra toa an’Ambohidroa, Marobiby, Merimandroso sy Antanetibe Vonizongo.

Lasa i Arphine. Inoako fa tanteraka aminy ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe : “Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy” (Apo 14: 13) sy hoe: «Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha» (Apo 21 : 4).

Arilaza Randriamahefasoa

Partage de Manda pour la famille : Samedi 17 août 2013

Dieu est le maître de nos vies. Il nous a donné la vie et Il décide de notre départ.

Je remercie le Seigneur de nous avoir donné, à mon mari et à moi-même, du temps passé avec Tatie Arphine. Etant née en France, je suis allée 3 fois à Madagascar. La première fois, c’était pour passer les vacances lorsque j’avais 8 ans. La deuxième fois, c’était lors du décès de Maman. j’avais 15 ans à l’époque. Et la troisième fois,c’était à mes 25 ans pour mon mariage avec l’homme que Dieu m’a choisi.

J’ai de très bons souvenirs de nos vacances et voyages à Madagascar. Notre famille, du côté paternel, comme du côté maternel, nous a accueillis chaleureusement. Lors de nos deux premiers séjours, nous étions hébergés, mes parents, ma sœur et moi, chez Tatie Arphine. Le souvenir que j’ai d’elle est une personne remplie d’amour. Elle était une femme très généreuse. Je me souviens encore de la chambre qu’elle nous avait réservée, les petits déjeuners et repas copieux, comme si tous les jours étaient une fête. Pour moi, cela signifiait que nous comptions beaucoup pour elle et que de ce fait, nous étions gâtés quotidiennement. Elle prenait l’initiative d’organiser pour nous et également pour le reste de la famille des sorties et excursions afin de nous divertir et de nous faire visiter le pays.

Bien sûr, Tatie Arphine avait un franc parlé, elle était directe et elle savait ce qu’elle voulait. Dieu lui a donc permis de réaliser de nombreuses missions pour Lui à travers sa vie. Son investissement dans l’Eglise était exemplaire. Gloire à Dieu pour cela.

Voici deux versets que le Saint Esprit m’a donnés. Le premier est dans 2 Corinthiens 5 : 1 « Nous savons, en effet, que, si cette tente où nous habitons sur la terre est détruite, nous avons dans le ciel un édifice qui est l’ouvrage de Dieu, une demeure éternelle qui n’a pas été faite de main d’homme. ». Et le deuxième est dans Apocalypse 21 : 4. « Dieu essuiera toute larme de leurs yeux, la mort ne sera plus, et il n’y aura plus ni deuil, ni cri, ni douleur, car les premières choses ont disparu. »

C’est à travers la Parole de Vérité que Dieu nous console de la perte d’un être cher. Notre Seigneur nous annonce, pour ceux qui croient en Lui et en son Fils Jésus, que la vie d’ici bas, n’est qu’un passage. Dieu Lui-même a préparé une demeure éternelle pour les siens. Voici notre espérance en Jésus Christ Vivant. Et j’aime à croire que notre Tatie y croyait fermement. Ceux qui nous précèdent au paradis, famille, proches, ont alors fini leur course sur cette terre, car Dieu l’a décidé ainsi. Ils ont accompli la mission que l’Eternel leur a confiée. A nous de prendre exemple à notre tour sur eux, concernant la ferveur et la discipline qu’impose d’être enfant du Tout puissant. Les membres décédés de notre famille l’ont fait avant nous. Aujourd’hui, réveillons nous pour être également des témoins vivants de Dieu.

Dieu dans, sa bonté, nous console de notre peine de la perte de Tatie Arphine. Il panse nos cœurs meurtris de douleurs pour y faire régner la paix et la sérénité.

Merci Jésus pour ton amour infini et pour les jours, mois, et années passés au côté de notre très chère Tatie Arphine. Que ton nom seul soit loué.

Manda Randriamiharizaka