MARKA 14 : 43 – 52

Jodasy mpamadika. Izany no teny voalohany tonga ao an-tsaina raha vao avy namaky ny tantara. Oadray ireto fitaovam-piadina nentin’ny vahoaka : sabatra maranitra mahatapa-doha sy langilangy. Hafa kely fa tamin’ny horoka no nanolorana an’i Jesosy ho samborina. Nampitoviana tamin’ny jiolahy goavana Jesosy. Mahazendana ihany izany. Nahoana no izao vao mitranga izany eritreritra izany  ?

Mampalahelo ny fihetsiky Jodasy. Tsy nazava taminy ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy, izay niaraka taminy isan’andro. Matoa izy sahy nanolotra Azy tamin’ny fariseo sy ny mpanora-dalana ary nifanaraka tamin’izany dia Jesosy olona manana fiteny mahavariana, nanao asa, betsaka mpanaraka… no fantany. Izany rehetra izany dia toa nampanahy avokoa. Tsy anjarako ny mitsara an’i Jodasy fa saingy noho ny tsi-finoany no nahatonga izao. Izany tsy finoana izany dia nitondra fisarahana ary mitondra ho amin’ny fahafatesana . Eto dia ny fanahafatesan’i Jesosy ara-nofo atsy ho atsy. Vita hatreo ny fiarahan’i Jesosy sy Jodasy. Manomboka hatreo ny fisarahana.

Ny vahoaka moa rehefa mahita zava-baovao dia liana rehefa mikasika ny toetran’olona iray. Indrindra moa raha olo-malaza. Misy ny mihazakaza sy manontany atsy sy aroa mba ho isan’ny voalohany handre izay mikasika izany olona izany. Ary dia mandeha ho azy ka manaraka ny daholo be.

Eo anatrehan’ny fahatairana sy ny tsy fanekena ny fihetsik’i Jodasy dia nisy niezaka niaro an’i Jesosy ka namoaka koa ny sabany ary nandratra ny miaramila aza. Toneo ny fo hoy Jesosy, aza misendoatra tahaka ny hafa. Dia ahoana ny hevintsika manoloana ny fiampangana sy ny fisamborana fotsiny izao ?

Tsy navelan’i Jesosy niaro tena ny mpanaraka Azy hany heriny nandositra. Izy irery sisa teo niaraka tamin’ny mpisambotra Azy. He, Nilaozan’ny rehetra. Mangidy izany. Eo amin’ny fotoana ilana ny namana, ny mpianatra, ny vahoaka nositranina vao tena irery. Tonga dia voatondro fa io ilay ho samborina . Mitovy amin’ny  » roman policier » ve ? Hay ve rehefa hitan’ny olona fa ho gadraina sy voatondro ho olona tahaka ny jiolahy dia ialan’ny manodidina. Tsy fantatry ny hafa intsony. Irery. Tena irery ( and 50 :  » Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra »).

Mampahatsiaro ireny any am-ponja milaza fa rehefa tonga ny fisamborana azy ireny dia tsy nisy hitany intsony ny namany, eny fa na dia ny fianakaviana akaiky aza dia tsy te-hahalala. Na dia tsy hita aza izay helok’i Jesosy . Na dia ireo izay niaraka taminy isan’andro aza dia tsy hita.

Manamafy koa ny maha-sarotra ny zava-nitranga ny filazana ity tovolahy izay teo : nitsoaka ary dia nitanjaka rehefa namela ny lambany tamin’i Jesosy. Tsy dia ny tsy fiankajony no manaitra. Fa manamafy amintsika ny tantara fa nihanahana irery teo Jesosy. Foana ny manodidina Azy . Nangidy io fotoana io. Hevero ao anatin’ny roa minitra monja hoe tsy hitantsika ny olona nitokisana, nefa isika ao antin’ny ady sarotra. Napetraka ho irery teo ny tena. Mafy izany. Amin’ny maha-olombelona dia tsy eken’ny saina izany : malahelo, tezitra, mety hiteniteny foana, mety ho lasa adala, mety hanao zavatra diso tafahoatra.

Tsy dia ho tahak’izany foana ny fiainana fa mba misy zavatra tsara ihany. Misy ireo izay ao anatin’ny fahoriana samy hafa dia manana olona mampahery, na manambitamby mba hahazoana mitraka. Misy izay tsy mba nandia izany. Fa ny an’i Jesosy dia tapitr’ohatra ny maha irery Azy satria rehefa tonga ny tena mangidy dia na Andriamanitra aza tsy namaly Azy intsony. Dinihina amin’ny fotoana hafa ny amin’izany.

Manomboka eto dia hizotra irery amin’ny lalana mankany amin’ny hazo fijaliana Izy. Hisedra ny mafy irery. Tsy misy afa-maka ny toerany. Tsy manana mpisolovava ary dia hangina satria irery. Hoy isika hoe : raha mba nangoraka Azy ny mpianany sy ny olona dia tsy niaran’izao zavatra izao Izy. Nefa hoy Jesosy « fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao ».

Tsy takatry ny sain’ny olombelona ny fitondran’Adriamanitra. Satria na dia tao anatin’ny maha irery an’i Jesosy izao dia iray ihany no niaraka taminy ary tsy nahasaraka Azy dia Andriamanitra. Toa ohatrin’ny mifanohitra amin’ny voalaza teo aloha izany. Aza hadino fa na dia mandao antsika aza ny rehetra, Andriamanitra dia mitoetra ao ampon-tsika. Izay no haharesena ny maha irery ny tena. Efa niaina izany Jesosy ka mahalala ny ratram-pon’ny olombelona rehefa irery. Koa matokia an’Andriamanitra, fa tsy manary anao Izy. Amena