Ezekiela 33 : 10 – 16

Perikopa alahady 11 aogositra 2013

 

Marihina aty am-piandohana fa Ezekiela dia nantsoin’Andriamanitra ho mpitily ao amin’ny fireneny. Voafidy hitondra ny hafatr’Andriamanitra izy noho izany.

Ny antony dia teo amin’izay maha-mpisorona azy  rehefa nampiseho ny voninahiny tamin’i Ezekiela  Andriamanitra dia nanamafy fa Izy ihany no Mpanjakan’izao rehetra izao. Nitondra fiovana lehibe teo aminy izany :

–         Ny fanekena ny hanao ny asan’ny mpaminany.

–         Ny fianjeran’i Jerosalema izay tena mafy tamin’i Ezekiela satria  niala tao amin’ny tempoly ny voninahitr’Andriamanitra  vokatry ny fahotan’Israely.

Io fahotana io dia ny fanompoam-tsampy natao teny amin’ny tendrombohitra rehetra (6 : 3 ; 6 : 13), teny ampototry ny hazo (16 :16) ary tafiditra tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema (20 :28-29) . Heverina ho toy ny fijangajangana izany rehetra izany satria nifanipaka tanteraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Rehefa resy ny israelita tamin’ny ady tamin’io fotoana io dia tsy maintsy hiondrana any an-tsesitany ary ao anatin’izany Ezekiela.Noho izy nantsoina ho mpitily sy mpaminany dia tsy afaka nitaraina satria hampahery ny fireneny no andrasana aminy. Mahavesatra tokoa ny andraikiny.

Amin’ny maha-mpaminany azy eo anatrehan’ny fahoriana mianjady amin’ny israelita dia ny hitory ny famonjena no asany. ( Ny faminaniana tsy ny fahitana ny zavatra ho avy akory fa ny teny izay torina, noraisina avy amin’ Andriamanitra ho an’ny firenena. Izay no heviny voalohany)

Ka eto amin’ity perikopa ity dia mafonja ny faminanian’Ezekiela ary mety hampahatezitra  ny sasany amintsika.

Voalaza eto ny fitsaran’Andriamanitra ny fireneny izay ao anatin’ny fahoriana lehibe : sady babo no  an-tsesin-tany.

Ireto isrelita koa moa dia nilaza hoe «  Vesaran’ny fahadisoanay sy ny fahotanay izahay, ka mila ho levona mihitsy. Koa ahoana no ahavelomanay ? ». Fantatry ny israelita tsara ny zavatra nataony.

Ny fahadisony sy ny fahotany dia : ny nanaovana ny fanompoam-tsampy ho zava-dehibe sy ny tsy finoana an’Andriamanitra intsony. Satria nitoky tamin’ny sampy. Ary tafiditra hatrany amin’ny Tempoly izany.

Momba ny fitsaran’Andriamanitra no asaina ho torin’Ezekiela : Fintinina toa izao ny teny :

« Raha misy olona tsara fanahy ka manao ny tsara dia ho voavonjy izy. Ary tsy ho faty. Nefa raha manao ratsy izy aty aoriana  dia tsy mijery ny asany teo aloha Andriamanitra fa manameloka azy. Ary ho faty izy. »

« Raha misy olona ratsy fanahy ka manao ratsy ary tsy mety hiova dia ho meloka izy. Ary ho faty koa.  Fa raha miova kosa izy ary miezaka ny hanao ny tsara dia ho voavonjy izy ary tsy ho faty. Fa ho velona. »

 

Ny fahavelomana dia ao amin’Andriamanitra ary ny fahafatesana dia ny fisarahana amin’Andriamanitra. Tsy fahavelomana na fahafatesana ara-nofo akory no tian’i Ezekiela lazaina fa fahavelomana sy fahafatesana ara-panahy.

Ilay Andriamanitra dia Andriamanitra velona, tompon’ny aina. Ary manafatra an’ Ezekiela Izy fa tsy mankasitraka ny hahafatesan’ny ratsy fanahy.Ny tena iriny dia ny hiovan’ny ratsy fanahy mba ho velona.

Andriamanitra feno fitiavana ny olona nohariany ary mamindra fo aminy.

Ho an’Andriamanitra izay mibebaka sy miverina marina Aminy dia voavela heloka ary vonjeny. Izay no Fahamarinan’Andriamanitra.

Samihafa amin’ny fitsaran’ny olombelona. Raha misy olona mandika lalàna na manohitra ny lalàna dia melohina. Tsy hoe namono olona dia votsoran’ny Fitsarana satria nihaiky ny helony. Fa tokony hanatanteraka ny saziny ilay olona . Fa amin’Andriamanitra kosa raha misy olona  meloka teo anatrehan’ny lalàn’ny tany sy ny fanjakana dia mandray famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy raha mibebaka ka miova fo. Izany tsy milaza fa tsy tokony ho any am-pigadrana akory izy .

Ny tsy fankatoavana ny lalàna dia mahatonga fahafatesam-panahy. Jereo Zakaiosy. Nangalatra sy nanambaka tamin’ny famorian-ketra . Matoa niazakazaka nanatona  ny Tompo  dia nahatsiaro fa nisy banga ao amin’ny fiainany. Rehefa tafahoana tamin’ny Tompo izy dia niova ary tsy nisalasala nilaza fa averiny daholo ny zavatra nangalariny tamin’ny famorian-ketra. Ny sasany aza averiny avo roa na telo heny. Ary niditra tao an-tokan-tranony ny famonjena.Tsy nanana mpitsara izy tamin’izany fotoana izany fa ny eritreriny ihany no nitsara azy.  Izany hoe nibebaka marina tokoa. Izay no takin’Andriamanitra amin’izay tsy manao ny sitrapony. Fa na ny halatra aza dia efa mamono ny fanahy.

Ny tena mahavariana  lazain’Ezekiela aza dia ny hoe « : hohadinoina avokoa ny fahotany rehetra nataony ka ho velona tokoa izy satria manao ny rariny sy ny hitsiny( and : 16).

 

Miala nenina hatrany Andriamanitra ary maniraka mpaminany izy hilaza ny sitrapony. Raha mijery ny fiainana eto Madagasikara dia maro ny miteny hoe : Efa mba mivavaka izahay nefa tsy misy ny fiovana.  Ny sasany miteny hoe : raha misy Andriamanitra dia tsy toa izao ny firenena. Tsy Andriamanitra no mitantana ny firenena fa ny olona izay ao amin’izany firenena izany dia samy manana ny andraikiny avokoa araka ny ambaratonga. Nahoana no firenena malaza fa tena mivavaka nefa izao no hiafarany.Angamba tsy ho babo sy ho sesi-tany avokoa ny malagasy fa eto amin’ny taniny ihany no mahababo azy sy mahasesitany azy . Ity perikopa ity anisan’izay mampahery sy manoro ny hahafahana amin’izany.Amena.