Kolosiana 3:1-11

(Perikopa ho amin’ny alahady 4 aogositra 2013)

Ny taratasy nosoratana ho an’ny Kolosiana dia miisa 4 toko monja. Noho izany voavaky vetivety . Ny hevitra ao anatiny anefa dia mafonja. Saika mikasika ny fifandraisan’ny olona tsirairay no voalaza ao.

Tany am-pigadrana tany Roma i Paoly no nanoratra an’izy ity. Misy milaza fa olon-kafa no nanoratra azy. Ny fantatra dia i Epafra no nanorina ny fiangonana kristiana voalohany tany. Ary nilaza tamin’i Paoly ny zavatra mitranga tao Kolosia. Noho izany dia toy ny ohatrin’ny fantatry Paoly tsara ny any. Nefa dia tsy mbola tany Kolosia mihitsy izy. Maka toerana lehibe eo amin’ny perikopa androany ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Io koa no tena fototry ny teolojian’i Paoly. Izy aza nilaza ny tenany fa voantso ho apostoly voatokana ho amin’ny Filazantsara ….  marihina tsara ny nitsanganan’ny Zanaka’Andriamanitra … tamin’ny fitsanganan’ny tamin’ny maty dia Jesosy Kristy (Asa 1 : 1-4).

Mizara roa ity perikopa ity :

1)    Ny and :1-4 izay mampahatsiaro ny  fotoanan’ny Reformasiona (16°s) nandraisan’ny protestanta ho fampianarana voalohany sy fototra  ny amin’ny Jesosy kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana sy  ny fitsanganany tamin’ny maty. Filazantsara izay notorin’i Paoly. Noraisiny ary niorenany . Izay mino izany no mahazo famonjena . Izany no nampitainy ho an’izay mety hihaino.

     Ny fisainana ny zavatra any ambony, dia ny zavatra ara-panahy fa tsy ho variana amin’ny eto an-tany. Na dia ilaina aza ny mihevitra izany.

 2)     Henjana ny tenin’i Paoly amin’ny fananarany ny Kolosiana eto. Olona afaka : ao amin’ny fikambanan’ny mpino nefa dia mbola asiany fanamarihina. Vonoy izay momba ny tenanareo : fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy, fitiavan-karena izay fanompoam-tsampy. Mbola misy variana amin’ireo ary mampifangaro ny fiainana kristiana sy izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Na dia tsy kristiana aza moa dia tsy ankahasitraka ireo koa. Satria miteraka fahasimbana ho an’ny tena sy ny manodidina. Ary mihitatra lavitra ny zava-doza haterak’izany. Toy ny fivarotan’olona, na famonoana olona, fampijaliana, familafilana, kolikoly, halatra  sns … Kanefa azo avela izany hoy Paoly satria mitondra fahafatesana. Tsy misy fanajana ny tena sy vatana ary ny fanahy.

 Ilay teny hoe « vonoy » ireo rehetra ireo dia fialana tanteraka amin’izany.Tsy fiverenana amin’izany intsony satria efa afaka tamin’izany ianareo. (And : 7 : izany no nalehanareo fahiny)

Fa mbola manamafy i Paoly na fa misy ireo vokadratsy izay mbola tafajanona ao am-pon’ny olona. Ireto no voalazany : fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenena-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vava. Esory ireo hoy izy. Fisehona ivelany ny fanarahana an’Andriamanitra na ny filazana ny tena ho kristiana raha mbola tandravadikotra amin’ny tena ireo. Jereo fotsiny : izay manana lolompo dia ho marikivy tarehy lalandava ary mihevitra ny hamaly faty. Inona no mba fifaliana ?

Zava-dehibe iray izay tsara marihina : ny olona afaka tamin’ireo rehetra ireo dia tsy afaka handainga intsony. Raha mbola mitahiry sy miaina amin’ireo dia tsy olom-baovao akory. Misy dia mivelona amin’ny lainga ary tsy mahamenatra azy izany.

 Ny olom-baovao dia manary ny asa ratsy taloha mikasika ny fihetsika, ny fiteny, ny fifandraisana amin’ny hafa mba hanimbana ny hafa. Miova tanteraka. Ny tsirairay dia mahalala na niova ho amin’ny tsara izy na mbola te-hitoetra ao amin’ny ratsy izy. Na tsy mpino aza mahalala izany.

Afaka ho tonga olom-baovao ny rehetra na inona na inona fihaviny, na toerana misy azy satria Kristy izay fitafiany no manome azy fahalalana tsara arak’ilay endriky ilay nahary azy.

Koa isaorana ny Tompo noho izany fampanantenana sy harena lehibe ho an’izay manaiky hanaraka Azy. Ka hanary ny olona taloha ao anatiny. Mba ho olom-baovao ho voninahitr’Andriamanitra irery. Amena.