Mamono tena ao amin’ny Baiboly

Ho valin’ny fikarohana « Mamono tena ao amin’ny Baiboly ».

Tsara ho fantatra araka ny voalaza hatrany fa ny soratra ao amin’ny Baiboly dia mifangaro amin’ny tantara maro.

Ka ireto efatra (4) ireto ihany no milaza ny amin’ny olona namono tena ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ireo Testamenta Taloha sy vaovao.

  1. A.   Testamenta Taloha :

1 Samoela 31 : 1 – 4

Mitantara ny fahafatesan’i Saoly.

Tao anatin’ny ady dia maty niaraka taminy ny zanany telo lahy. Rehefa hitany fa ho resin’ny fahavalony izy dia nangataka ny mpitondra fiadiny mba hamono azy. Nefa tsy nety io. Ary nalain’i Saoly ny sabatra dia nianjerany. Dia maty izy. Ary nanao toa izany koa ilay mpitondra fiadiny. Niara-maty tamin’iny andro iny izy roa lahy.

Tsy misy fanazavana firy ny amin’ny fihetsiky Saoly ao amin’ny Baiboly afa-tsy ny hoe : nangorohoro izy rehefa lavo teo anatrehan’ny fahavalo. Tsy tantiny koa ny hihomehezan’ireo azy.

2 Samoela 17 : 23

Mitantara ny fahafatesan’i Ahitofela.

Ahitofela dia mpanoro hevitra no raharahany. Mpanoro hevitra an’i Absaloma. Absaloma dia zanak’i Davida. Nefa tsy nifankahazo izy mianaka. I Absaloma dia te-handrobaka ny fanjakan’ny rainy. Kanefa nanana mpanoro hevitra mahay sy hendry Davida ary tsy voan’ny fandrika natoron’i Ahitofela an’i Absalona.

Ary satria avotra i Davida sy ny mpanaraka azy. Dia taitra ny lohan’i Ahitofela ka lasa nody tany an-tranony, nanafatra ny ankohonany. Ary nanaton-tena.

I Absaloma kosa dia hafa ny nahafatesany satria tahafantona tamin’y hazo terebinta. Tsy maty izy tamin’io fotoana io. Fa ny mpanenjika azy no namono azy.

1 Mpanjaka  16 : 18

Ny nahafatesan’i Zimry

Nikomy ary namono ny mpanjaka i Zimry. Tsy nankaiza fa fito andro fotsiny no nanjakany. Naka an’i Omry ny vahoaka ho mpanjaka ary nanenjika an’i Zimry. Resy izy sy ny mpanaraka azy. Rehefa hitany fa tsy nisy fanavotana ho azy intsony dia nihidy tao amin’ny tilikambo manda tao amin’ny lapa izy. Dia nodorany ny lapa ka may tao izy.

Ireo tantara telo ireo dia tao anatin’ny fisavorovoroin’ny firenena no nitranga. Ary samy nanana andraikitra lehibe teo amin’ny fitondranam-panjakana daholo izay voakasiky ny famonoan-tena eto.

  1. B.   Testamenta vaovao :

Matio 27 : 3 -5

Ny nahafatesan’i Jodasy.

Io no malaza sy fantatry ny maro ao amin’ny Baiboly. Nanenina i Jodasy rehefa voapanga i Jesosy . Niteny koa hoe : nanota aho satria namadika ny ran’ny tsy manan-tsiny. Farany dia nananton-tena Jodasy

Tsy hitsara ny amin’ireo olona ireo akory fa dia milaza ny zava-mitranga. Nefa azo atao koa ny manadiady satria antony maro no mahatonga hamono tena. Tsy hoe ratsy izy dia nanao izany. Fa misy olona izay tena tsara fanahy tokoa nefa tratran’izany. Indrindra moa any Madagasikara dia be no tratran’io tokoa.Tsara ny mandinika ny antony.