Fanontaniana napetraka tamiko  : Misy Toriteny malagasy ve ?

Somary sahirana aho hiteny hoe : misy Toriteny malagasy na tsia.

Amiko ny toriteny dia toriteny. Misy fotoana isakarazany hitorian-teny. Toy ny fotoampivavahana alahady. Ny fotoana fitsofandrano fanambadiana, ny fotoana fandevenana, ny fotoanan-jobily …..Ny teny hitenenana azy dia arak’izay mpihaino eo na amin’ny teny malagasy na teny hafa firenena.

Raha amin’ny fiteninao (malagasy ohatra) dia tsy tokony hamaky intsony eo ampitenenana azy. Satria tsy misy aina loatra ny fihainona azy amin’izany. Na izany aza dia ilaina alohan’ny toriteny ny miomana, fara-fahakeliny roa na telo andro. Misy aza ilaina ho iray volana satria fotoan-dehibe ka misy lohateny izay nofidin’ny olona ho atao.

Ny antony hanoratana azy dia ny hahavoatahiry ary hampiasaina amin’ny fotoana hafa raha misy manao fikarohana amin’ny fampitahana ny toriteny tamin’ny fotoana voafetra, na mikasika ny toriten’olona malaza iray.

Mety koa indraindray hadino tampoka ny zavatra ho lazaina ka afaka mitopy maso kely ao amin’ilay soratra.

Ny toriteny tsy hatao hifaninana akory. Matetika aho no mahare hoe : asa izay ho lazain’i rangahy na ramatoa io androany. Ary dia voan’ny fakam-panahy ny mpitoriteny indraindray manao hoe : Tsara ve ny nataoko teo ?

Noho izany dia zava-dehibe ny fiomanana :

Fiomanana alohan’ny toriteny ary maharitra roa taona raha kely.Na laika na mpitandrina, na pretra dia :

-Tokony ho tia mamaky Baiboly amin’ny teny malagasy raha malagasy izy. Nefa raha misy amin’ny hafa : anglisy na alema, na japoney dia mety daholo

Ilaina ho an’izay mitondra fiangonana ka matihanina amin’izany ahay hamaky ny Testamenta Taloha amin’ny teny hebreo. Ary ny Testamenta Vaovao amin’ny teny grika. Ny boky manontolo no lazaiko fa tsy hoe mahay teny iray na roa dia afaka miambo hoe  haiko ilay izy.

Ho an’izay tsy afaka manao izany satria tsy nandalo sekolim-piofanana mpitandrina izy na seminaire dia tsy maninona satria fampitahana amin’ny teny frantsay na anglisy dia efa ampy ho azy ireo.

Ny rehetra kosa dia tokony  hahalala ny tantaran’ireo firenena hita ao amin’ny Baiboly tamin’ny fotoana nanoratana azy. Ny famakiana ny Baiboly dia hahitana izany. Nefa koa misy ireo izay mana-pahaizana amin’ny tantara afaka manampy amin’izany. Mino aho fa raha sendra misy izany amin’ny manodidina antsika dia tsy handa akory izy hanampy antsika.

Ny tsy tokony ho hadinon’ny mpitoriteny rehetra dia ny Baiboly tamin’ny nanoratana azy tamin’ny teny nihaviny dia ny hebreo sy grika dia tsy nisy toko sy andininy . Taty aoriana ireny vao napetraka mba hanampiana ny mpamaky. Ka indraindray misy variana mandray an-tendrony teny na fehezan-teny mahafinaritra nefa tsy mifanaraka amin’ilay soratra manodidina izany teny izany.

Ny fahafantaran’ny ny daty nanoratana ireo boky 66 isa ao min’ny Baiboly dia tena  zava-dehibe.

–         Ohatra :

–         Ao ny  milaza fa ny Genesisy no boky voalohany satria fiandohan’ny Boky rahateo ao amin’ny Baiboly.  Nefa  500 taona talohan’i J.K.vao nosoratana.

–         Tahaka izany koa ny Filazantsara 4 (efatra) izay mitantara an’i Jesosy dia heverina fa boky voalohany nefa voasoratra taorian’ny Epistilin’i Jakoba

–         Ary raha mitoriteny amin’ny teny malagasy dia tokony hahay teny malagasy koa . Na mianatra izany tsara.

–         Ny Toriteny isak’alahady dia mila roa na telo andro vao vita. Fa tsy atao tandrametaka hoe : izaho mahay miteny dia vita io. Ny alatsinainy dia efa manomboka misaina azy na manoratra na tsia.

–         Ny Toriteny koa tsy natao ho valiana. Satria fampitana ny hafatry ny Filazantsara. Ao anatin’ny fanompoampivavahana tsy natao hiandin-kevitra. Misy ireo olona izay tezitra ka miteny hoe : tsy ekeko izany nefa tsy afaka mamaly aho.

–         Misy toerana hifanakalozan-kevitra  na hamakafakana izany amin’ny fotoana fandinihina ny Soratra Masina (Etudes bibliques).

Ny mpitoriteny dia tsy tokony hiantehatra amin’ny fahaizany miteny. Indraindray mantsy tsy fantatra intsony na ilay teny ao amin’ny Soratra masina no torina na manao kabary.

Ny mpitoriteny koa tsy tokony hanatena dokadoka  satria  raha izay no maha maika azy dia  tsy tokony hitoriteny izy.

Ny mpitoriteny ihany koa dia tsy tokony hamely olona ambadika amin’ny toriteniny satria mety tsy mifankahazo aminy.

Tsy mety koa ny hoe : izay hitiavan’ny olona ahy no holazaiko  ary hadino fa Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahy tokana dia Jesosy Kristy maty teo ambony hazo fijaliana nitondra ny fahotantsika ary nitsangana tamin’ny maty mba ho famonjena izao tontolo izao no torina.

Na inona na inona teny hanaovana ny toriteny dia io no fototra iraisan’ny kristiana rehetra .

Koa raha mikasa hitoriteny ianao dia mba manaova aloha fandalinana, mazotoa mianatra, mazotoa mamaky boky an-koatrin’ny Baiboly. Jereo ny hevitry ny hafa. Tsy ampy ny mivavaka fotsiny.Fa raharaha sarotra io mitoriteny io.Na amin’ny teny malagasy na amin’ny teny hafa firenena.