MARKA 14 : 53 – 72

Indro fa miverina an-tsehatra indray i Petera. Toy ny olona manarangarana eo am-baravarana. Matahotra sao dia ho voasambotra ary menatra satria nandao ny Tompo. Miafina sao misy rotaka tampoka satria mitady ny naman’i Jesosy ny manam-pahefana. Tsy dia tena mandry ny tany ka manahy ny olona hifaneraserana sao mahafantatra azy hany ka tsy maintsy mitampifipify. Tsy mari-pototra ny zavatra hiampangana an’i Jesosy. Ary ilaina ny fitadiavana vavolombelona mikasika ny zavatra nataony. Tsy maintsy misy famotorana ary tokony ho voaporofo marina ara-dalàna araka izany ny fanadihadina atao amin’izay heverina fa nandika ny lalàna sy izay niaraka taminy na iza izy na iza. Samy nilaza izay reny avy ny mpiapamga. Tao ny nilaza ny amin’ny teny natao. Ny an’ny mpisoronabe dia ny hoe : « Hianao va no Kristy Zanaky ny Isaorana ? Tsy nisalasala Jesosy nilaza hoe  : » Izaho no Izy ». Ny fanontaniana hafa dia tsy novaliny.Tafintohina ny mpanao famotorana.

Fa miverina amin’i Petera isika. Nifanehatra tamin’ny zazavavy iray izy ka notorin’io : nohizinginzininy fa mpomba an’i Jesosy izy . Nefa dia nolavin’i Petera izany. Famadihana ihany izany na dia tsy nitovy tamin’ny an’i Jodasy aza. Injay ny feon’ny akoho naneno nampahatsiahy azy fa diso ny voalazany. Fa tena niaraka sy nanaraka an’i Jesosy izy. Natahotra ny ho voagadra izy ka dia nivadi-dela. Avy eo dia hita eo amin’ny tantara fa nanenina i Petera ka nitomany.

Alohan’ny fitsarana dia tsy maintsy ataon’ny mpitsara izay hahalalana ny antony hiampangana an’i Jesosy. Marihina etoana ny fahanginan’i Jesosy. Tsy te hifamaly na hiadi-hevitra tamin’ireo mpanao famotorana Izy. Fantany koa fa hanao izay hahavoaheloka Azy ireo ka hampiasa ny fomba rehetra. Ny fanontanian’ilay mpisoronabe dia toy ny hoe : « fantatro fa Ianao tokoa no Zanaky ny Isaorana, ka dia hamafiso izany ». Tsy nandà ny maha Izy Azy Jesosy na dia tsy tantin’ny olona aza izany. Sahiran-tsaina ny olona ka nanontany tena hoe :  » ahoana moa no ity Jesosy ity izay olona tahaka anay no milaza ny Tenany ho hafa ?  » Hadinon’ny olona ny fotoana nanaovana batisa an’i Jesosy ka nirotsaka Taminy ny Fanahy Masina toy ny voromailala. Io Fanahy Masina io no nanome hery nahazony nanatanteraka ny asa rehetra nomen’ny Rainy Azy. Io Fanahy io koa no mbola nampitsangana Azy tamin’ny maty. Mbola betsaka ny adi-hevitra tamin’izany fotoana izany toy ny hoe : « tena io tokoa ve ilay Mesia izay nandrasana sa hafa ? Maro no nisalasala. Nangiana ny Tompo ary navelany niteny izay tiany ho teneniny ny olona.

Fa tsy hadino i Petera izay te-hahita ny niafaran’i Jesosy. Tsy nandry ny saina ka niezaka ny hanatona moramora an’i Jesosy. Tsy nandeha ny tetika fa tratra izy ary feno tahotra. Hadinony ilay voady nataony fa na inona na inona hitranga dia tsy hisaraka amin’ny Tompo izy. Ny fandavany ny hoe « mpianatr’i Jesosy » dia milaza fa nandositra fanindroany ny Tompony izy. Tena mbola navelany irery fanindrony teo ihany Jesosy. Marobe ny tantara mitovitovy amin’izao. Ny mampiavaka azy ireo dia eo amin’ny tantaran’ny Zanak’Andriamanitra. Rehefa tonga ilay famantarana fa tsy nahatana ny teniny Petera dia niondrika. Nenjehin’ny eritreriny ary nitomany Petera. Mangidy. Lehilahy lehibe izao ve no mitomany. Eny, mitomany satria ny fandavany dia toy ny fiampangana ka vao maika nandetika an’i Jesosy. Mitomany Petera satria mahatsiaro ny fahadisoany. Meloka eo anatreh’ny Tompo, eo anatrehan’ny vavolombelona izay nahafantatra azy.

Petera sy Jodasy dia samy mpianatry ny Tompo, nefa dia samy nanana fihetsika samy hafa. Samy mampalahelo daholo izy roa lahy. Tsy mora tamin’izy ireo koa ny fahitana ny fizotran’ny tantaran’ny fiainany sy ny Tompony.

Fa ho antsika miaina amin’izao fotoana izao dia mazava amintsika io tantaran’ny Zanak’Andriamanitra io. Misy fotoana izay hiampangana an’Andriamanitra rehefa latsaka an-katerana ny zanak’olombelona. Tsy mieritreritra ny teny atao. Ary dia tapaka tanteraka aza indraindray ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Izany fihatahana izany dia mahatonga nenina. Tsy mahagaga raha nitomany i Petera. Tsy misy ny maha samy hafa azy amintsika rehefa tsy mijoro na mitana izay maha kristiana antsika. Tsy mety koa anefa ny milaza fa manana ny marina hatrany ny kristiana. Aoka tsy hadino fa nomena saina mahery mahalala izay tokony atao amin’ny alalan’y fitarihin’ny Fanahy Masina isika. Izy no mamela ny helontsika raha tena mifona tokoa ny isika olombelona ka mitodika indray amin’Andriamanitra. Mahereza ary na dia sarotra aza ny lalana hombana. Ny Tompo no miaraka aminao mandrakariva. Amena.