Mivavaha ho an’ny mpitsabo

Na dia mbola alina aza ny andro, mivavaha ho fampaherezana

1 : ireo mpitsabo kivy amin’izao alina izao, na any amin’ny toeram-pitsaboana na any an-tranony.
2 : ireo mpitsabo voaroba ka very ny fitaovam-piasana.
3 : ireo mpitsabo sy mpanampy azy ao amin’ny sampandraharahan’vonjy aina (urgence)
4 : ireo mpanampy ny mpitsabo rehetra
5 : ireo mpanadio ny toeram-pitsaboana,manomana ny fitaovam-pitsaboana rehetra
6 : ireo mamboatra ny fandrianan’ny marary ao amin’ny toeram-pitsaboana

amin’ny oran’ny maraina

6 : Misaora an’Andriamanitra noho ny fisian’ny mpitsabo na dia vitsy aza .
7 : mivavaha ho an’ireo mpitsabo avy niasa tamin’ny alina
8 : mivavaha ho an’ireo mpitsabo any ambanivohitra lavitra
9 : mivavaha ho an’ireo mpianatra ho mpitabo
10 : mivavaha ho an’ireo mpisabo mety ho tratran’ny fireharehana
11 : mivavaha ho an’ny mpitsabo sasany manadino fa tsy homena mialoha ny vidin’ny fizahana.
12 : mivavaha ho an’ ireo mpitsabo mampifilafila sy manararaotra ny fahantran’ny marary

Amin’ny oran’ny atoandro,mivavaha ho an’

1 : ireo mpitsabo sasany mifidy tavan’olona
2 : ireo mpitsabo sy mpiara-miasa rehetra ao amin’ny sampan-draharahan’ny fameloman’aina.
3 : ireo mampivelona rehetra ka eo anatrehan’ny fahasarotan’ny fampiterahana
4 : ireo mpitsabo namoy havan-tiana
5 : ireo mpitsabo izay ao anatin’ny aretina
6 : ireo mpitsabo maimaim-poana ny marary

Amin’ny oran’ny hariva sy ny alina, mivavaha ho an’

7  : ireo mpitsabo tsy nitsahatra nandray marary androany.
8  : ireo mpitsabo manao ny ainy tsy ho zavatra hamonjy ny marary
9  : ireo mpitsabo miara-mitolona amin’ny fahafatesana hanasitranana ny marary mafy
10 : ireo mpitsabo rehetra ny marary saina ka ihatahan’ny havany
11 : ireo mpitsabo ny olona izay mikasa hamono tena
12 : ireo mpitsabo mikarakara ny mpitsabo namany