TENY HOVAKIANA

ASAN’NY APOSTOLY 4 : 32-35

I JAONA 5 : 1-6

JAONA 20 : 19-31

Mpianatra mbola safotry ny tahotra ny Jiosy no nivory ny harivan’ny andro voalohany amin’ny herinandro iny. Mpianatra nihidy aman-trano sao dia hitsifoan’ny Jiosy ka hataony tahaka ny nataony tamin’i Jesosy. Misafotofoto anefa ny tao an-tsain’izy ireo. Hatao ahoana no fino izay nolazain’ireo vehivavy tany amin’ny fasana vao maraina ? Marina fa nisy ny mpianatra izay nandeha nijery ny fasana avy eo ary nahita fa foana ny fasana nandevenana an’i Jesosy, nefa midika ho inona moa izany.

Noho izany dia Jesosy mihitsy no niezaka niseho tamin’izy ireo satria noho ny tahotra tsy hanao izany izy ireo. Indro izy niseho taminy ary dia nampiseho ny tanany sy ny lanivoany. Izy ilay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ary maty ka nalevina no indro mijoro eo anoloan’ny mpianatra. Tsy nisalasala izy rehetra nino fa Jesosy velona tokoa io hitany io fa tsy matoatoa, izany no nahatonga azy ireo hilaza herinandro tao aorinan’izay tamin’i Tomasy hoe : « Efa nahita ny Tompo izahay ».

Izao fihetsiky ny mpianatra sy ny fisalasalan’i Tomasy izay hitantsika ao amin’ny andininy manaraka izao dia zava-pahazo antsika koa. Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty rahateo dia zava-tsy mampino sy nanelingelina ka mora ny mandà ny fisiany. Mazàna dia akinin’ny olombelona amin’ny zavatra hita maso ny finoany ka na dia zavatra nambaran’ny olona nanatry maso aza tsy ekena. Noho izany ny Tompo mihintsy no mandray andraikitra. Izy no mamelona ny finoantsika, mampitombo azy ary mampaharitra azy. Tahaka ny mpianatra dia hidiantsika ny varavaran’ny fontsika nefa tsy hahasaka an’i Jesosy tsy hiditra ao akory izany ka hanetsika indray ny finoantsika. Te hamaha ny varavara’ny fontsika mbola fasotry ny fitsapana mahamay, ny fahasahiranana, ny ahiahy isan-karazany noho ny fiainana ny Tompo ka te hiteny amintsika hoe : « Fiadanana ho anareo » . Io fiadanana io dia tsy ilay fiadanana mora, tsapantsika rehefa salama na finaritra, fa ilay fiadanana tenenin’Ilay nitsangana tamin’ny maty dia ilay fiadanana azo ao aorian’ny faharesena ny tahotra. Ilay fiadanana azo taorian’ny zava-mafy sy ny zavatra nampamoy fo dia ny fahafatesan’Ilay voahombo tamin’ny hazo fijaliana Io fiadanana tenenin’ny Tompo io dia tsy misy afaka maka azy amintsika satria nateraky ilay finoatsika an’i Jesosy Kristy.

Raha vonona handray io fiadanana io isika dia olona efa nafahan’ny Tompo tamin’ny tahotra ka afaka hametrahana andraikitra. « Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. » Hoy Izy.. Olona vontom-pinoana sy afa-tahotra no hametrahan’ny Tompo andraikitra. Olona nahatsiaro fa nahazo maimaipoana ka tokony hanome maimaipoana. Olona mizara ny fiadanana voarainy, olona mizara ny Vaovao mahafaly henony. Na izany aza tsy mamela antsika ho irery ny Tompo. Indro Izy manome antsika ny Fanahy Masina hiaraka amintsika. « Raiso ny Fanahy Masina » hoy Izy Dia ilay Fanahy izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty. Raha ny Filazantsaran’i Jaona no dinihintsika ny Pentekostra taminy dia ny harivan’ny Paska . Raha vao avy nitsangana tamin’ny maty Jesosy, ny nataony voalohany dia ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Nefa tsy mampitombona io fiadanana io. Hatramin’izay isika dia mpitazana fotsiny, mpitan-damba. Angamba ho mpihaino fotsiny ny tenin’ny Tompo. Eto kosa tompon’antoka mihintsy amin’ny fanapariahana ny Vaovao Mahafaly isika. Lasa mpitondra ny tenin’Andriamanitra, ndeha ho lazaina lasa anjely. Iza re rey olona no handà izany.