Ho an’ny marary sy ny mpitsabo

Izay tiana ho raisina ny ora hivavahana.

Na dia mbola alina aza ny andro

1: Andriamanitra ô, tahio izao fotoana mbola ao anatin’ny aizina izao.
2: Mivavaha ho an’ny fandriam-pahalemana eran-tany
3: Mivavaha ho an’ny olona tsy manana toeram-pitsaboana.
4: Mivavaha ho an’izay mamboatra fanafody hitsaboana ny marary.
5: Mivavaha ho an’izay manambaka amin’ny fivarotam-panafody.

Amin’ny oran’ny maraina
6: Isaorana Andriamanitra fa mbola nomeny andro vaovao.
7: Tompo Andriamanitra ô, omeo hery ny mpitsabo rehetra.
8: Mivavaha ho an’ny mpampivelona rehetra.
9: Mivavaha ho an’ireo mpianatra mpitsabo rehetra.
10:Mivavaha ho an’ny mpitsabo rehetra mba ho marina amin’ny asany.
11:Mivavaha ho an’izay tsy afaka mitsabo tena.
12:Mivavaha ho an’ireo izay te-hamono tena noho ny antony tsy fantatra.

Amin’ny oran’ny atoandro

1:Mivavaha ho an’ireo mamangy ny marary eny amin’ny toeram-pitsaboana.
2:Mivavaha ho an’ny ankizy marary mafy.
3:Mivavaha ho an’izay marary fa voadonan’ny fiarakodia.
4:Mivavaha ho an’izay voatifitry ny basy.
5:Mivavaha ho an’izay voatsatok’antsy.
6:Mivavaha ho an’ireo vehivavy sy ankizy voaolana.

Amin’ny oran’ny hariva sy ny alina

7: Mivavaha ho an’ireo marary sy maratra tsy misy mpiantra.
8. Mivavaha mba tsy hirehareha noho ny asa vita.
9: Isaorana Andriamanitra noho ny asa vita na tsy vita androany.
10: Misaora an’Andriamanitra fa omeny fotoana hialan-tsasatra indray.
11: Andriamanitra ô, omeo torimaso koa izay rehetra ao anatin’ny fanaintainana.
12: Andriamanitra ô, tahio ny firenena malagasy.Ny hazavanao mandrakotra ny taninay.