Vavaka adin’iray isan’andro. Samy mifidy izay tiany. arahina araka ny marika.

Na dia mbola alina aza ny andro

1: Tompo ô, misaotra anao ho an’ireo izay mivavaka ho anay amin’izao andro vaovao izao.
2:Tompo ô,tahio izao alina izao sy izay voatery hiasa amin’izao fotoana hialan’ny rehetra sasatra.

3: Tompo ô, na dia mbola maizina aza ny andro, ny fahazavanao mandrakotra an’i Madagasikara

Amin’ny maraina

4: Tompo ô, ny herinao tsy hitsahatra eto amin’ny taninay.
5: Tompo ô, misaotra Anao fa mbola novelominao izao maraina izao.Mametraka ny fiainanay eo am-pelatananao izahay.
6:Tompo ô, ampio amin’ny fiomanana hiatrika ity andro androany ity izahay.
7:Izao sakafo maraina karakaraina izao dia avy Aminao Andriamanitra. Hitondra hery sy tanjaka ho anay.
8:Ampaherezo izay rehetra hamonjy ny toeram-piasana.
9: Tahio izay rehetra mandeha tongotra lavitra vao tonga any am-piasana.
10: Tahio izay rehetra mandeha fiarakodia hamonjy ny toeram-piasany sy ny saofera mpitondra ny fiara.
11: Tahio izay rehetra mitondra bisikileta, moto mamonjy ny toeram-piasana
12: Omeo fifaliana izahay ao amin’ny toeram-piasanay.

Amin’ny atoandro  

1:Tompo ô, tahio ireo rehetra izay tsy manana asa fa nikatona ny fiasany.
2: Tompo ô, tahio ary ampianaro ny mpampiasa rehetra mba ho marina sy hanaja ny mpiasany.
3: Tompo ô, tahio ary ampianaro ny mpiasa rehetra mba ho marina sy hanaja ny mpampiasa.
4: Tompo ô, tahio ireo manokatra asa vaovao hampandroso ny firenena.
5: Tompo ô, misaotra noho ny asa vita androany.

Amin’ny hariva sy ny alina

6: Tompo ô, misaotra amin’ny fihaonana amin’ny fianakaviana ato an-tokantrano.
7: Tompo ô,misaotra anao noho ny sakafo hariva.
8: Tonga ny alin’ny fialan-tsasatra. Ny Fanahy Masina mbola miaraka aminay.
9: Amin’izao alina izao Tompo ô, jereo ary arovy izay ao anatin’ny ahiahy sy ny tahotra noho ny antony izay fantatrao.
10: Mivavaka ho an’ireo izay reraka nefa tsy afaka mitaraina.
11: Tompo ô, ampahareto eto amin’ny taninay ny Fanahinao
12: Tompo ô,momba anay. Tahio ny taninay, tahio Madagasikara.