Ezekiela 37 : 1-14

 Taolam-paty mijoro, afaka tao amin’ny fasana

 

Mahazatra ny miteny fa « fahitana » ity tantara ity. Nefa ny teny hoe «  mahita » tsy voalaza ao akory.

Ny mpanoratra dia mamisavisa aloha  ny fidiran’Ezekiela an-tsehatra hahalala ny zavatra mitranga. «  Ny tanan’ny Tompo no nitondra azy teo anoloan’ireo taolam-paty . Nandehandeha teo amin’ireo aza. Taolana tena maina dia maina no niparitaka teo amin’ny lohasaha. Voalaza fa nasain’ny Tompo naminany Ezekiela mba hampisy nofo, ozatra ary hoditra ny taolam-paty mba ho velona. Nihetsiketsika izy ireo satria notsofina ny  fofonaina avy amin’ny vazatany efatra.  Velona izy ireo ary nitsangana ny tongony ka lasa toa ny tafika lehibe mihitsy aza ».  Tsy maintsy mazava amin’ny  Ezekiela koa ny  voina nitranga vao afaka mitondra ny teny amin’ny taranak’Israely voatery nandositra ny taniny . Zavatra mahatsiravina no nampiseho azy tamin’ny alalan’ny eritreritra . Ny fanekena ny fahoriana lehibe mianjady no hahazony miteny sy hahavitany ny amin’ny hampitsangana ny taranak’Israely. Ka amin’ny alalan’izao sary izao dia hampiomanina Ezekiela satria sarotra ny asany. Tsy mora akory ny asan’ny mpaminany ary tsy afaka miteniteny foana satria manana andraikitra lehibe amin’izay lazainy. Indrindra eo anatrehan’ireto izay heverina fa faty maina, loan’ny masoandro sy ny orana ary  lanin’ny ny voromanidina ny nofo. Taolana sisa.

Tao anatin’ny voina sy fahoriana mafy ara-batana sy ara-panahy , tsy nanana na dia tsirim-panantenana intsony ny taranak’Israely. Nanenjika dia nanenjika ny fahavalo. Nandamoka. Reraka  tanteraka ka lasa nitsao-ponenana nefa dia toa ny maty ihany. Tsy nahahetsika intsony. Ao anatin’ny ny fahafatesana.

Izany no antony nanirahana an’i Ezekiela. Hiteny amin’ireo taolam-paty ireo. Namaly ny fiantsona vonjy Andriamanitra amin’ny alalan’ny teny nomeny an’Ezekiela. Dia ny fandikana ny sary izay naseho azy sy ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra.  Ren’Andriamanitra ny famoizam-poin’ny olona. Ny fianjeran’i Jerosalema tamin’izany fotoana izany dia toy ny fanamelohana ho faty. Tsy misy n’inon’inona antenaina intsony. Nefa dia nanaiky  hiteny Ezekiela amin’ireto vahoaka izay efa mitsitra.Ary dia nadika amin’izay ny teny tokony ho lazaina amin’ny olona. Nisy fiovana fa tsy niresaka  taolam-paty  intsony fa fasana.Tsy filazana intsony ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty fa ny fiverenana amin’ny tany nilaozana. Tsy fanomezana intsony fofonaina fa fanahy avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra.Io Fanahin’Andriamanitra no hahary indray ny olona, hahazon’ny taniny ary hananany fifandraisana amin’Andriamanitra.

Amin’izao fotoana hihainantsika izao koa dia mihamafy ny fahorian’ny maro noho ny faharesen’ny firenena sasany noho ny antony maro. Maro karazany ny voina rentsika ary mahatsiaro tsy mahavita na inona na inona isika.Indrindra amin’ny filazam-baovao izay tsy miafina intsony fa tonga ao an-tokatrano. Ity tantara eto amin’ny bokin’ Ezekiela dia mahatonga hieritreritra fa na dia ao aza ny famoizam-po dia tsy tokony ho foana ny fanantenana. Kanefa tsy misy afaka mirehareha fa mahavita ny fanarenana ny zavatra simba tanteraka indrindra ny maha- olona.

Ho famaranana dia hoy ny mpanoratra ny « Targoum Yerouchalmi »hoe «  tamin’ireo taolam-paty marobe izay nohahariana indray dia iray ihany no tsy nitsangana.  Satria nanao fahadisoana izy tamin’ny fahavelomany. Izany fahadisoana izany dia ny fampindramany vola ka nangatahany zanabola izany dia tsy mendrika ny hahavelomany indray ». Mampieritreritra.

Ny taolam-paty tratran’ny famoizampo dia mbola manana anjara mihaino ny Tenin’Andriamanitra. Ny mpitondra ny Tenin’Andriamanitra  tsy maintsy mahalala tanteraka ny zava-misy na dia mahatsiravina aza. Ary koa manaiky fa tsy hahavita io asa izay nanirahana azy izy satria mihoatra ny herin’ny olombelona izany. Raha tsy izay dia tsy manome toerana an’Andriamanitra hiasa isika. Ka tsy hivoha ny varavaram-pasana. Maro ny mitono-tena ho mpaminany ary dia mandika araka izay tiany ka maro koa no voafitaka. Andriamanitra no mampisy indray ny olona nohahariany sy ny zavatra nofoanana rehetra. Hanafaka ny vahoakany Izy.Ao anatin’ny fahoriana lalina dia misy koa fahavelomana. Mitsangana ary fa efa nomena anao koa ny Fanahin’Andriamanitra.  Kristy no Paska ho antsika.

.