MARKA 15 : 1 – 15

Telo izany hatramin’izao ny fanontaniana goavana napetraka tamin’i Jesosy. Ny omaly dia(2) ny hoe :  » Tsy mety mamaly akory va Hianao ? Inona no iampangan’ireto Anao ? – Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory – sy ny hoe : « Hianao va no Kristy Zanaky ny Isaorana ? Ary hoy Jesosy : « Izaho no Izy ». Androany indray Pilato nanontany Azy : « Hianao va no Mpanjakan’ny jiosy ? Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : « Voalazanao ». Mbola nametraka fanontaniana hafa i Pilato, fa tsy namaly intsony Jesosy.

Fomba fanao rehefa misy olona tsaraina ny mametraka fanontaniana maro. Momba ny toerana niavina, ny fianakaviana, ny namana, ny asa sy ny mpiara-miasa, ny zava-maha-liana na ny mifanohitra amin’izany ary ny zava- kasaina ho atao amin’ny ho avy.

Ny tena mahamaika ny mpanadina dia ny amin’i Jesosy sy ny fifandraisany amin’Andriamanitrasy ny maha Mpanjakan’ny jiosy Azy. Lany haiky ny mpanadihady. Sakodihavatra satria tsy afa-po amin’izay valin-teny antenainy. Mitohy ny fitsarana. Izay tapaky ny be sy ny maro no harahina. Olon-kafa atao hoe Barabasy no nalefa ho an’ny vahoaka. Afaka io lehilahy io izany ary tsy afaka miverina amin’ny teniny intsony Pilato. Mitodika any amin’i Jesosy ny maso araka nangatahin’ny mpanatrika ny fitsarana Izy mba homboina amin’ny hajo fijaliana. Ny safidin’Andriamanitra raha izay no azo ilazana azy dia ny hamonjy ny olona rehetra amin’ny alalan’ny Zanany Lahy Tokana. Sarotra tamin’ny olona ny nino fa Jesosy ilay Mesia nandrasana. Ary hita izao fa niteraka olana izany. Satria voaheloka tahaka ny olona mamotsifotsy Jesosy. Ny safidin’ny vahoaka koa dia ny hanana izay ho mpamonjy azy amin’ny fahoriana ara-nofo sy ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Te ho afaka amin’ny fanandevozana, ka hanana izay maha-izy azy izy ireo.

Nisafidy koa Jesosy ny hangiana ka tsy hamaly ny fanontaniana satria efa fantany izay ambaran’ny manam-pahefana raha mamaly izany Izy.

Nisafidy koa ny vahoaka teo anatrehan’i Barabasy sy Jesosy. Na dia ao aza ny safidy dia ren’ny vahoaka ny an’i Pilato. Ary dia hatolotra ho voahombo amin’ny hajo fijaliana Jesosy. Voaviravira tatsy sy taroa Izy.

Ny fahanginan’i Jesosy dia tsiambaratelo. Nanamafy ny tenin’ny mpitasara Izy raha niteny hoe hoe :  » Izaho no Izy », na koa ny hoe : « Voalazanao ». Ny fahanginana koa dia mety milaza fahatezerana nefa izany dia tsy tamin’i Jesosy satria tsy mbola hita teo amin’ny fiainany izany.Fihetsika hahazoana hery sy entina hisainana lalina mba tsy hampiroroa saina ny amin’ny marina ihany koa izany.

Mampagitakitaka ny zava-mitranga. Ary hita fa tsy mora ny miatrika fitsarana. Zatra mahare ny tantaran’ny Herinandro Masina isika ka mety tsy ho taitra intsony.

Nadika ho literatiora samihafaisa-karazany, na ho sary mihetsika izany ary manintona olona maro ny fihainona sy fijerena izany. Manan-danja araka izany ny tantaran’i Jesosy, ary mbola misy hafatra ho antsika sy ho an’izay te hahalala izany. Na dia nomelohina aza i Jesosy dia Andriamanitra Rainy izay manamarina Azy no mamela ny fahajamban’ny rehetra. Amena