Zoma 29 martsa – Jean 19 : 17 – 30

Ny Hazofijaliana no famelan-keloka

Ity tantara ity dia hita koa ao amin’ny filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka. Ny  mahasamihafa azy amin’ny filazantsaran’i Jaona dia tsy misy resaka ny amin’ilay lehilahy (kireniana atao hoe Simona) heverina fa nanampy an’i Jesosy nitondra ny hazofijaliana. Tsy hita eto koa ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ireo lehilahy roa nahantona koa tamin’ny hazofijaliana teo akaikiny.Ny ilazan’ny filazantsara sasany dia hoe : olondratsy na jiolahy. Ny an’i Jaona moa dia roa lahy fotsiny no voalaza eo. Hitantsika izany fa samy manana ny fomba fitantarany ny mpanoratra araka ny fotoana nadrenesany azy sy nandraisany azy koa. Ny toerana nanombohona an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana moa dia Ikarandoha na Golgota.

Nihamafy ny zavatra nitranga rehefa voaheloka Jesosy fa tsy maintsy hahantona eo amin’ny hazo fijaliana. Hitan’ny rehetra izany. Tsy nisy nanohitra izany intsony. Ny mpiaraka taminy aza nandositra fa vehivavy vitsivitsy mpanaraka azy sisa no nijanona nijery teny lavidavitra teny. Ao anatin’ izany ny reniny sy rahavavin-dreniny

Mampangoritsina ny mahita izany. Mampatahotra. Fijaliana tanteraka satria tsy maintsy ho maharary. Maratra mafy. Nangina Jesosy . Tsy niteny intsony. Mizotra ho amin’ny fahafatesana.

Manana ny toerany lehibe ity ampahana tantara ity eo amin’ny fivavahana kristiana. Milaza ny fomba namonjen’Andriamanitra izao tontolo izao. Ny sarin’ny hazofijaliana dia milaza ny fihaonan’ny tany sy ny lanitra eo amin’ny Jesosy Kristy. Hitantsika koa ao anatin’ny  trano fiangonana maro ny fisin’ny hazo fijaliana ho fahatsiarovana izany. Saingy amin’ny fiangonana protestanta dia vao taon-jato vitsy no nisin’izany. Noho ny tsy tokon’ny hisin’ny sary ao an-tranom-pivavahana .

Ny Hazofijaliana dia fahafahana. Fahafahana tamin’ny herisetrin’ny fiainana nihatra tamin’i Jesosy nataon’ireo mpanao herisetra. Fahafahan’i Jesosy tamin’ireo manodidina azy. Ny fananganan’Andriamanitra Azy tamin’ny maty dia fahafahan’ny zanany niala tamin’ny fahafatesana.

Ny Hazofijaliana dia milaza koa fa niditra teo amin’ny tantaran’ny olombelona Andriamanitra. Teo amin’ny fiainan’izao tontolo izao mihitsy. Maro no tsy manaiky izany. Maro koa no tsy mahalala izany. Maro no manaratsy izany.Ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny Hazofijaliana izay fotoana toa ny aizina dia nampiditra antsika ho amin’ny fahazavana. Afaka tamin’ny herin’ny fahafatesana Izy. Izay no maha-hafa ny finoana kristiana. Ny fijerena ny Hazofijaliana dia mampahatsiaro antsika fa nisy ary misy fanantenana ho amin’ny ho avy izay hafa.

Na dia hianjadin’ny fahoriana sy ny zavatra mahatsiravina aza izao tontolo izao ary tsy afaka tsy hijery izany isika . Miaina ao antin’izany isika ary mahatsiaro mangidy sy ory. Saingy ny Hazofijaliana no manambara amintsika fa misy olona maro : lehilahy, vehivavy, tanora, ankizy, zokiolona izay manantena amin’ny alalan’ny finoana fa tsy resin’ny herisetra mitranga. Miezaka ny hifanampy mba hampianjera ny fahakahalana. Hanafoana ny ady. Ao ny valim-bavaka na dia ao aza ny fahalemen’ny Fiangonana izay handalovany.

Ny Hazofijaliana no manarina ny finoana mba hahazona hijoro tokoa ho vavolombelon’i Kristy. Izy no banjinin’ny kristiana fa tsy ny rendrarendran’izao tontolo izao izay mandalo ary tsy mitondra fiainana vaovao.

Ny Hajofijaliana dia milaza ny famelan-keloka nentin’ny Tompo ho amin’ny fiainana teo aloha. Ka mampihavana antsika amin’Andriamanitra ankehiriny. Ny fahanginan’ny Tompo izay voamariky ny mpanoratra ny filazantsara hitondra antsika ho amin’ny fieritreretana : efa afaka amin’ny aizina ka maniry fiainam-baovao ve ? Miaraka amin’iza ?

Eo amin’ny famelan-keloky ny samy olombelona dia misy ny tsy afaka hanao izany . Tsy hanome ary tsy handray izany. Satria nahatsiaro ho tena naratra sy voahitsaka ary natao tsinontsinona. Tsy misy mahasitrana izany afa tsy ny fanatonana an’Andriamanitra. Ny famelan-keloka natolotra  teo amin’ny Hazofijalina no manokatra fahazavana hizorana eo amin’ny ho  avy. Tsy voavidim-bola izany Famelan-keloka izany  satria fanomezana avy amin’Andriamanitra izany. Ho anao koa.