ISAIA 50 : 4-7

FILIPIANA 2 : 5-11

MARC 11 : 1-11

Miditra amin’ny herinandro farany mialohan’ny Paska isika. Manomboka eto ilay antsoina hoe Herinandro Masina. Androany dia ny Alahadin’ny Sampan-kazo. Isan’ireo tantara izay voarakitra ao amin’ny Filazantsara efatra ny tantara ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema.

Izay mahalasa fisaina antsika dia ny hoe : « Nahoana i Jesosy izay hatramin’izay namepetra ny mpianatra tsy hilaza amin’ny olona ireo izay heveriny ho fanindraindrana ny Tenany, toy ny fahagagana sy ny sisa, raha tsy efa nitsangana tamin’ny maty Izy, no tsy hoe nanaiky fotsiny fa nampanao mihintsy ity fiakarana am-boninahitra tany Jerosalema ity.

Manomboka eto dia handalo herinandrom-pahoriana i Jesosy. Herinandro izay hampisalasala ny ankamaron’ny mpanaraka Azy. Tsy vitsy mantsy amin’izy ireo no mieritreritra fa eo amin’izay maha-zanak’Andriamanitra Azy dia tsy handalo izany fijaliana sy fahoriana izany mihitsy Jesosy. Eny na dia efa nampatsiarovin’i Jesosy azy tokoa aza ny hoe : « Ny Zanak’olona tsy manana izay hametrahany ny lohany. « . Tsapan’i Jesosy tsara fa rehefa hahita Azy ho viravirain’ny olona ireo mpanaraka Azy ireo dia hihozongozona ny finoany ka tsy hino intsony an’i Jesosy izy. Eny fa na dia ny mpianany roa ambin’ny folo lahy aza. Koa tsara ihany ny haha-velon-tsoratra ao an-tsain’ny mpanaraka Azy ny maha-mpanjaka Azy. « Hotahiana anie ny fanjakana dia ny an’i Davida raintsika. » Ary tsy ny maha-mpanjaka Azy ihany fa ny maha-zanak’Andriamanitra Azy koa  : »Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah ! » Asa na azon’ireto olona ireto fa lalana tsy maintsy handalovan’i Jesosy ny fahoriana sy fijaliana. Efa nampiomana ihany ny hijalianan’ny Tompo nefa dia betsaka no nihevitra izany ho vazivazy. Ry Petera aza dia sahy nilaza mihitsy ny hoe : »Tsy hanjo Anao izany » Efa tsinjon’i Jesosy fa amin’ireo mpanaraka Azy ireo rehefa mahita fa resin’ny fariseo sy ny mpanora-dalàna Izy dia hiantsoantso ny « homboy homboy. ».

Tian’i Jesosy ho hita koa fa Mpanjaka be fitiavana Izy. Mpanjaka hitondra fandriampahalemana sy fahasambarana ho an’ny mpanaraka Azy. Zana-boriky no nitaingenany. Araka izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe : Lazao amin’i Ziona zanakavavy ; Indro ny Mpanjakanao avy ho anao , Malemy fanahy sady mitaingina boriky dia boriky miasa . (Zak 9 : 9) I Lioka dia mitantara fa na dia teo amin’ny fotoana nifalian’ny rehetra aza dia nitomany Jesosy. Nitomany Jesosy satria nalahelo loatra an’i Jerosalema. Hoy Izy : »Ry Jerosalema ry Jerosalema …impiry Aho no te-hambomba anao tahaka ny fambomban’ny akoho ny zanany fa tsy nety ianao. »

Ny saika tadidy raha miresaka ny Alahadin’ny Sampan-drofia na alahadin’ny Sampa-kazo dia ny fifaliana be sy ny Hosana  ! nataon’ny olona. Ny hadino dia ny toman’i Jesosy. Nanomboka eo ny fijaliany ary izany no tsy azo hanasarahana ny alahadin’ny Sampan-drofia amin’ny Herinandro Masina. Mitomany Jesosy satria mijery ireto olona tsy mahafantatra na inona na inona. Mitomany i Jesosy satria na ny mpianatra efa nilazana ny tsy maintsy hijaliana aza minia tsy te-hahafantatra izany. Mitomany Jesosy mahita ireo olona toa havezivezin’ny rivotra ka afaka herinandro monja dia hanjary hankahala Azy. Mitomany Jesosy fa naniry koa raha naniry ny hitondra fandrianpahalemana sy fahasambarana, nefa nolavin’ny olona izany. Mitomany Jesosy satria tsinjony ny hanjoa ireto olona tsy nahatsiaro ny andro namangiana azy ireto.

Ry havako toa tena lavitra antsika izany. Ny tomanin’i Jesosy inona moa no hidirako amin’izany. Nefa mijery antsika Jesosy dia mitomany. Mitomany Jesosy satria ao anatin’ny fifalianao hadinonao Jesosy, mipiripirina ery an-joro-trano Izy. Eny fa na dia ny fifaliana izay tokony hiarahana Aminy aza. Firifiry koa moa ny fanasana natao noho ny batisa sy fandraisana ho mpandray no miafara amin’ny ady sy korotana satria zava-pisotro sy dihy no mameno izany fotoana izany. Mitomany Jesosy satria nolavinao akitsirano ilay fahasambarana atolony. Mitomany Jesosy satria tsy tsapanao ny vidin’ny nisolo anao. Azotsika tohizana lavabe izany. Saingy ny tokony ho tadidy dia ilay fitiavany sy ny lanjany ny niaretany mba hahatonga antsika ho ampoky ny fifafaliana sy ny fahasambarana.

Dia mbola hanampy trotraka ny fahorian’i Jesosy ve aho amin’ity Herinandro Masina ity ka ampitomany azy noho ny ataoko ?