Alakamisy 28  martsa – Jaona 13 : 15-16

Fampianarana

« Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ny andevo dia tsy lehibe noho ny Tompony, na ny iraka noho izay naniraka azy »

Teny nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany rehefa nanasa ny tongotr’izy ireo Izy. Mahafinaritra ny manasa ny tongotry ny tena satria tiana ho tsara. Ka karakaraina ery. Mitondra fifaliana ny fanaovana izany. Mety manahirana koa raha sendra misy fahasimbana ny tongotra. Sarotra. Fa raha tongotr’olonkafa ? Na dia tsara sy madio aza dia somary sahirana manasa ny tongony.  Sarotra  koa raha sendra hoe vakivaky satria mety hangirifiry ny fanadiovana azy. Toa izany koa raha misy aretina. Misy ny mahavita azy tsy ampisalasalana tokoa. Ireo miasa ao amin’ny sehatry ny fahasalamana dia deraina ny amin’izany.  Tsy dia ho variana loatra amin’izany isika. Fa ny tiana ho marihina androany dia ny hoe «   Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo ». Izay no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany.

Izay manaraka an’i Jesosy  dia tokony hanao ny asa ataony. Fampianarana no nataony satria Izy dia Mpampianatra. Tsy nanda izany fa nanamafy aza (and13).

Hahatanteraka izany ve ny mpianatra? Ny fampianarana marobe tamin’izy ireo noraisiny rehefa nitokana tany an-tendrombohitra dia efa tokony hahavitany izany.

Moa ve madio tongotra tanteraka ny olona ? Na dia efa nampandrona aza ny tena dia mbola misy izay maloto ihany ny tongony. Ny tongotra mantsy no mitondra mankatsy sy mankaroa . Eny fa na dia ho amin’ny fahafatesana aza.

Ny ilain’ny Tompo dia tsy ny hoe «  andeha indray haka rano hifanasa tongotra ». Marina fa misy ny manao izany.Tsy ratsy akory.

Maro dia maro ny fampianarana hitantsika ato amin’ny Soratra masina. Fa saingy ny fanatanterahana azy no asa goavana. Tsy vitan’ny mitoriteny, na mandinika Soratra masina, na mivavaka fotsiny. Fa ahoana no hanatontosana izany ?

Inona no fampianarana momba :

–         ny fanajana an’Andriamanitra noraisina tamin’y fampianaran’i Jesosy.  Indraindray toa tsy ny Andriamanitr’i Jesosy kristy no hivavahan’ny kristiana.

–         Ny mikasika ny vola izay tsy hoe ratsy fa ilaina. Nefa dia lasa naka ny toeran’Andriamanitra. Ka na inona na inona azo atao hanagonana be dia atao na hahafaty olona aza izany.

–         Ny famadibadihana ny teny ka handemena ny sain’ny olona.

–         Ny fanomezan-toky nefa tsy tanteraka fa fanambakana no betsaka ao ambadika.

Ny mahavariana aza dia toa milalao ny Teny ao Soratra masina sy ny fivavahana kristiana ny maro ankehitriny. Ary ny malemy finoana dia sahirana. Tsy dia malemy akory hoy aho, fa saingy setrin’ny fahasahiranana mafy dia mafy ka ambakain’ny mahay miteny.

Firifiry moa no milaza ho manana tsindrin-mandry fa izy no tena milaza ny Tenin’Andriamanitra ? Maro ny mpanararaotra!

Koa anjaran’izay nirahina hitory ny Filazantsaran’i kristy no mitondra teny . Fampianarana araka ny Filazantsara sy ny Fitiavan’Andriamanitra.

Iray ihany ny Tompo, Iray ihany no naniraka dia Jesosy Kristy. Ny sisa rehetra dia fisandohana avokoa.