Alatsinainy 25 martsa   – Lioka 20 : 45 – 47

Fampitandremana.

Ny mpanoradalàna dia anisan’ny olona manapahaizana satria nanana fahalalana koa izy. Saingy nampitandrina ny amin’izy ireo ity an-dalan-tsoratra masina ity.

Ny fahafantarana ireny mpanoradalàna ireny dia ny akanjony. Tsy miafina izy amin’izany. Ny kihanin’i Jesosy eto dia ny fisehoana ivelany noho ny fitafiany. Satria toa nahatonga an’izy ireo hihevitra fa tsy maintsy miarahaba azy ny olona rehetra rehefa mifanenena aminy. Ny olona koa mety hanao izany satria misy tahotra. Angamba  any aoriana raha misy ilana azy ireny dia mety tsy ho raharahiny akory. Any amin’ny toeram-pivavahana aza dia ohatrin’ny hoe efa voafaritra ho azy ny toerana eny aloha. Tsy fantany ve ilay hoe : ny voalohany no ho farany, ary ny farany ho voalohany. Manambaka ny mpitondratena izy ireo satria fantany fa tsy sahy hanohitra azy . Iza moa no hiaro ny mpitondratena? Rehefa tsy eo ny vady dia toa heverina fa tsy inona ny vehivavy. Ny kamboty koa tsy manakolazaina fa tapenam-bava. Ny y vavaka hataon’ny mpanoradalàna dia nataony ho hita sy ren’ny olona ary tena lava dia lava. Tahaka ny hoe : tsy misy ohatr’azy.

Mikasika ny mpanoradalàna izany. Fa ahoana ny eto amintsika amin’izao fotoana izao. Maro dia maro ny te-hivavaka. Ary mivavaka tokoa amin’ny fony. Misy ny tsy afaka ho any am-piangonana hivavaka noho ny antony maro : tsy fahasalamana, lavitra ny fiangonana  …

Fa misy koa ny mivavaka tsy dia fantatra mazava izay tena lazainy na miresaka amin’Andriamanitra izy na miresaka amin’ny tenany. Ao ny manenjika amin’ny vavaka ataony satria mihevitra fa izy ihany no marina. Ao ny tsy mivavaka ho an’ny tsy mitovy finoana aminy. Ao ny mivavaka ka maniry ratsy ho an’ny hafa. Miteny aza fa mbola ho ataon’Andriamanitra toa izao ireny. Manozona! Angaha moa izany no nampianarin’ny Tompo Jesosy fa tsy ny hoe « Tiava ny namanao , tiava ny fahavalona ary mivavaha ho azy ».

Fisehoana ivelany hoy ny soratra masina ny fanaovana fitafiana izay hanatenana dokadoka. Fa ahoana ny fitafiana entintsika rehefa manokana fotoana hivavahana amin’Andriamanitra isika. Misy ireo izay tsy miova akanjo matetika sy mahantra mila tsy ho tafiditra amin’ny trano fiangonana sasany fa jerijeren’ny olona ka hiatahany. Eny fa na dia tsotra sy madio aza no entiny. Koa raha maloto aza moa satria tsy misy ny handiovana azy dia tsy hohenoin’Andriamanitra ve ny vavaka ataony ? Tsia ! Mihaino tokoa Izy.

Tsy ny fitafiana no jeren’ny Tompo Andriamanitra fa ny fifandraisana Aminy ary Izy dia tsy azo fitahina.