Eksodosy 1 : 15-22

Tantara milaza ny famporisihin’ny mpanjakan’i Ejipta fahiny hamono ny zazalahy hebreo vao teraka tao amin’ny taniny. Ny hebreo  moa dia tonga nitady sakafo noho ny mosary tamin’izany fotoana izany. Josefa no nahatonga azy ireo tany satria tan-dapa tany izy.

Inona moa no nahatonga an’ity mpanjaka ity hanenjika ny hebreo. Ny antony dia misimisy ihany :

–          Tsy nahafantatra ny tantaran’i Josefa (izay niaina nandritra ny 110 taona) ilay mpanjaka vaovao. Nampalahelo fa  nohenjehin’ny ireo rahalahy mpiray tam-po taminy Josefa. Ary namidiny aza. Nefa dia lasa minisitra tany aoriana tamin’ny andron’i Farao. Dia lasa gouvernora koa. Namonjy tokoa ireo rahalahiny mpiray tam-po taminy satria tratran’ny mosary. Nahavita soa tamin’ireo rahalahiny izy ary tsy navelany ho faty noana ireo. Niara-nipetraka taminy tao an-dapa aza. Olona be famindram-po ary namela heloka ireo rahalahiny izay naniry ny hahafaty azy sy nivarotra azy. Tsy nanana lolom-po.

–          Josefa dia avy amin’ny zanak’Israely (hebreo). Maro izy ireo no nivahiny tany Ejipta. Somary gaga ny mpanjaka nahita ny fitomboany. Nampatahotra azy izany. Sao dia mihoatra ny olona ao amin’ny fireneny. Natanjaka koa mantsy izy ireo. Somary nampialona ny mpanjaka koa izany.

–          Tsy mba nisy nampita tamin’ilay mpanjaka vaovao  ny tantaran’ny hebreo. Ary izay dia nahalesoka azy. Nisy tsy ampy ny tokony fahalalany ny tantara sy ny fiainan’ny olona  na avy aiza ny fihaviny. Satria olona miaina eo amin’ny taniny .

–          Noho ny fahitan’ny mpanjaka fa mitombo be ny isan’ny hebreo dia nitsiry tao am-pony ny sain-dratsy : ny hamono, ny hanongotra ity firenena mivahiny ao aminy ity. Ny hanandevo azy aza satria nampijaliany tokoa mba ho ketraka sy halemy.

Vokatr’izany dia zava-doza no niseho.  Sahy nanome baiko ny mpampivelona mba hamono ny zazalahy rehetra vao teraka tamin’izany fotoana izany ilay mpanjaka. Noheverina fa rehefa maty ny ankizilahy rehetra dia ho foana tsikelikely ity firenena ity. Inona tokoa moa ny ho avin’ny firenena raha izany no mitranga. Tsy nanaiky izany ny mpampivelona. Tsy ny hamono no asany fa hampivelona ny aina izay hateraky ny vehivavy. Tsy natahotra ny nanohitra ny didin’ny mpanjaka. Nandray andraikitra tanteraka izy roa vavy mpampivelona izay atao hoe : 1Sifra sy Poa. Hainy tsara ny namaly ny mpanjaka rehefa nanontaniana izy ireo hoe : nahoana  no navelanareo ho velona ny zaza ? Nolazain’ny mpanoratra ny tantara fa nandainga izy roa vavy ho famonjena ireto vehivavy mpiteraka tamin’izany fotoana izany. Noho izany fahafetsena izany dia fahafatesana roa no voasakana. Ny 1° dia ny azy satria ho tezitra aminy ny mpanjaka. Ny 2° dia ny an’ny zaza vao teraka satria avotra ireo. Nahay nandajalanja. Ary vonona hiatrika izay mety hanjo azy. Tsy azo harebireby. Manana hazon-damosina sy ny  maha-izy azy. Tao anatin’ny fahasarotana no nitranga izany  satria nety hampigadra azy ny fandikana ny baikon’ny mpanjaka. Kinga ho amin’ny zava-tsoa ny sain’ireto mpampivelona.

Vehivavy roa monja sahy nandà ny didin’ny mpanjaka. Vehivavy roa monja tsy nanao an-tsirambona  ny maha-mpampivelona azy. Nanao ny asany tokony ho izy. Nanampy hatrany mba ho velona soamantsara ny zaza2 teraka rehetra. Zava-dehibe izany. Fantany fa sarobidy ny aina ary tsy tompony izy. Tsy nanao izay hanala-baraka na ny asany na ny tenany. Ny mpampivelona dia tsy afaka hanampy amin’ny fahavelomana ary dia eo no eo dia hanampy hamono. Nitombo ilay firenena saika ho haringana. Ary tsy zakan’ny mpanjaka izany.

Azo deraina ireto mpampivelona ireto satria tsy niandry na nanontany hevitr’olo-kafa fa nanao izay heveriny fa mety. Nijoro tamin’izay marina satria natahotra Ny Tompo Andriamanitra. Tsy nanaiky hiray tsikombakomba amin’ny asa ratsin’ny mpanjaka izy roa vavy. Na hiray petsapetsa. Misy mantsy ny olona izay maharay baiko na dia ny hamono aza dia manatanteraka izany satria tsy mieritreritra. Na izay no nanakaramana hoy izy ireny.

Amin’izao fotoana hiainantsika izao dia azo hieritreretana amin’ny fandehan-zavatra maro ity tantara ity. Voalaza mantsy fa angano3 izy ity. Nefa mampieritreritra ihany. Ny azo lazaina dia ny hoe : Ahoana no fihetsiky ny mpivavaka izay manana andraikitra. Moa ve tahaka an’ity mpanjaka izay manararaotra ny fivavahana ka hampiasany ny heriny hanatanterahany ny tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (Aza mamono). Satria i Farao tamin’izany fotoana izany dia toy ny andriamanitra. Natahotra azy ny vahoaka.

Nahoana aza no misy afaka manda izany toy ireto mpampivelona ireto. Koa ny mpivavaka ve mbola afaka mijoro tahaka ireto vehivavy roa ireto ? Tsy nanana fitaovam-piadina afa-tsy ny fahatahorana an’Andriamanitra ka nankato ny teniny.

Ity tantara ity dia milaza ny amin’ny zaza vao teraka. Fa azo heverina koa ny manjo ny hafa toy rahalahy sy anabavy eran-tany izay voahenjika ka misy mifofofo ny ainy. Na ireo izay hampijaliana any an-takotakona any. Hatraiza ny maha vavolombenona mendrika ny mpivavaka kristiana amin’ny toerana rehetra izay misy azy ?

Tsarovy ny asa lehibe nataon’ireto mpampivelona roa monja ka nanova ny tantara ny asa nataony. Ankahasitrahana satria namelona firenena. Ny fihetsik’izy roa vavy dia azo alaina tahaka. Safidy lehibe izany ary an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Mahereza.

 

1Sifra  midika hoe : Hatsaran-tarehy

Poa  midika hoe : zazavavy

2 Zaza raha ny dikan-teny ; dia lazaina fa zazalahy anefa mikasika ny vavy no voasoratra. Heverina izany fa ny zaza rehetra no voalaza eto.

3 Angano : maro ny tantara izay toa ny angano ao amin’ny Baiboly. Ny mpanoratra dia samy manana ny haigam-panahiny eo amin’ny fampitana ny tantara.