TOMPO Andriamanitra ô, misaotra anao izahay noho ny torimaso tamin’iny alina iny.

Re izao maraina izao ary saika isan’andro fa maro ny zava-mitranga tsy rariny.Toy ireo izay vaki-trano sy ny fananana voaroba. Ao ireo naratra satria nanohitra ny mpangalatra. Ao koa ireo namoy ny ainy satria tsy mitsitsy mamono ny jiolahy. Ao ihany koa  izay manohitra dia maty rehefa tsy manao ny sitrapony. Mampitsanga-bolo ny vaovao re isa-maraina. Maro ny olona tena mahatsiaro reraka ara-batana , ara-nofo ary ara-panahy. Maro no tsy matory na indray mipimaso noho ny fanahina. Maro no miharitra, mamitsaka satria feno tahotra tokoa. Maro no very saina noho izany. Maro no mirenireny satria tsy mahita mangirana na dia kely fotsiny aza eo amin’ny fiainany.

TOMPO Andriamanitra ô, hitanao ny fahoriana lalina mianjady amin’ny firenenay. Maro no voton’alahelo ary mamoy fo. Mitombo isa ny olona mamono tena. Arovy amin’ny ratsy sy ny fahavalo ny taninay . Ny Fanahy Masinao hanazava ny sain’ny tsirairay ary hiasa ao anatin’ny tsirairay. Ianao no fialofanay. Hanangana sy hamelona ny firenena satria mihaino vavaka Ianao. Amena