1 / 2 – Jakoba  3 : 8 – 9

.. voafolaky ny olona ny zavatra maro,nefa tsy misy olona mahafolaka ny lela ; zava-dratsy tsy hay tohaina izy sady feno poizina mahafaty. Izy no isaorantsika ny Tompo dia ny Ray, ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao araka ny endrik’Andriamanitra.

2 /2 – Jakoba 3 : 17 -18

Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fihavanana dia afafin’izay mikatsaka ny fihavanana

3 /2 – Jakoba 4 : 1

Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo ? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavin’izany ?

4 /2 – Jakoba 4 : 11a

Aza mifanaratsy ry rahalahy …

5 /2 – Jakoba 5 : 1 …6

E ! Ianareo manankarena, mitomania sy midradradrà noho ny fahoriana izay manjo anareo … Nanameloka sady namono ny marina ianareo ary tsy manohitra anareo izy.

6 /2 – Jakoba 5 : 12

Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana hafa akory aza. Fa aoka ny Eny ataonareo dia ho Eny, ary ny Tsia ataonareo dia ho Tsia, fandrao hiharan’ny fitsarana ianareo.

7 /2 – Levitikosy 17  Fistipika momba ny tsy fihinana ra eo amin’ny Zanak’Israely

And14 : Fa ny amin’ny zava-mananaina rehetra dia ny rany no ainy,koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe : Aza mihinana hena mbola misy ra fa ny rany no ain’ny zava-mananaina rehetra, koa izay rehetra mihinana azy dia haringana.

8 /2 – Levitikosy 18 Ny toko manontolo dia milaza ny teny  voarain’i Mosesy tamin’ny TOMPO momba ny fanajana ny fanambadiana

And 26 : Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo koa aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany,na ny tompon-tany na ny vahiny izay monina eo aminareo

And30 b : Aza mandoto ny tenanareo amin’ireo ( ny fomba tsy fanajana ny fanambadiana). Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

9 /2 – Levitikosy 19

and 13 Aza maka an-keriny ny zavatry ny namanao na mampahory azy ; aoka tsy hitoetra ao aminao mandritra ny alina ny karamani’izay nokaramainao

and15 : Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana, aza miandany foana amin’ny mahantra, na mena-maso ny lehibe ; fahamarinana no hitsaranao ny namanao .

10 /2 – Levitikosy 20

-Fandrarana ny zanaka atao sorona ho an’i Moloka (sampy)

-Fandrarana ny fiantsona ny fanahin’ny maty  sy ny fanadrona dia toy ny fijangajangana amin’ny Tompo Andriamanitra

11 /2 – Levitikosy 21  – Ny fitsipika momba ny mpisorona tamin’ny andron’ny zanak’i Arona.

12 /2 – Levitikosy 22 : 31 – 32

Tandremo ny didiko ka araho. Izaho no Tompo. Aza manamavo ny anarako masina fa hohamasinina eo amin’ny Zanak’Israely Aho. Izaho Tompo izay nitondra anareo nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo. Izaho no Tompo.

13 /2 – Lioka  8 : 17

Fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy hiarihary.

14 /2 – Lioka 8 : 25

Hoy Jesosy tamin’ny mpianatra : « Aiza ny finoanareo ? » Ary natahotra izy ireo sady gaga ka nireska hoe : Iza moa Ity no miteny mafy ny rivotra sy ny rano ka manaiky Azy izany !

15 /2 – Lioka 8 : 4-

Hoy Jesosy rehefa nifanosikosika ny olona : «  Nisy olona nikasika Ahy ; fantatro fa nisy hery niala avy amiko ».

16 /2 – Lioka 9 : 13 tsy hitan’ny mpiantra izay atao ho an’ireto vahoaka tay an’efitra.

Hoy Jesosy : Omenareo hanina izy ….

17 /2 – Lioka 9 : 23

Hoy Jesosy : « raha misy olona ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hajo fijaliana isan’andro ka hanaraka ahy.Koa na iza na iza ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany, ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko , dia izy no hamonjy izany ».

18 /2 – Lioka 9 : 49-50

Hoy Jaona :  Mpampianatra ô ! Izahay mahita olona iray nandroaka demonia tamin’ny anaranao, koa noraranay izy satria tsy manaraka antsika. Fa hoy Jesosy taminy : Aza rarana , fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.

19 /2 – Lioka 9 

And 3 : Hoy Jesosy : Mandehana ; indro Aho maniraka anreo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia …

And : 16  izay mihaino anareo dia mihaino Ahy ;ary izay mandà anareo dia mandà Ahy izay naniraka Ahy.

20 /2 – Lioka 10 : 20

Kanefa aza mifaly ianareo fa manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia fa voasoratra any an-danitra ny anaranareo .

21 /2 – Lioka 10 : 25

Hoy ilay mpahay lalàna : Mpampianatraô ! inona no hataoko handovako ny fiainana mandrakizay ?

22 /2 – Levitikosy 23 : 3

Henemana no hanaovana raharaha, fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, fivorina masina ; aza miasa mihitsy ianareo, fa sabata ho an’NY TOMPO eny amin’izay fonenanareo rehetra.

23 /2 – Levitikosy 24 : 22

Fitsipika iray no hitondrana anreo na vahiny ianareo na tompon-tany ; Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

24 /2 – Levitikosy 25 : 35 – 36

Raha miha-mahantra ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka dia tohano izy ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy mpivahiny.

Aza maka zana-bola na tombony aminy fa matahora an’Andriamanitrao mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.

25 /2 – Levitikosy 26 : 1

Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasikotra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo. Fa izaho no TOMPO Andriamanitrareo .

26 /2 – Levitikosy 27

27 /2 – Lioka 11 : 9

Mangataha dia homena ianareo ; mitadiava dia hahita ianareo ; dondony dia hovohana ianareo.

28 /2 – Lioka 11 : 17

Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano ; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.