1 / 1 — Lioka 3 :22 … Nisy feo avy tany an-danitra hoe : « Ianao no Zanako malalako. Ianao no sitrako »

2 /1 — Lioka 4 : 4 « Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona »(Deo 8.3)

4 : 8 « NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao  ary Izy irery ihany no hotompoinao »(Deo 6 :1 », 10 :20)

4 :12 « Aza maka Fanahy NY TOMPO Andriamanitrao » (Deo 6 :16)

3 /1 — Lioka 4 : 24 « Tsy misy mpaminany izay ankahasitrahana ao amin’ny taniny »

4 /1 — Lioka 4 :35  Hoy Jesosy tamin’ilay demoniaka : «  Manginà ianao ka miala aminy ».

5 / 1 — Lioka 5 : 11 Nahafoy ny zavatra rehetra ireo mpianatra ka nanaraka an’i Jesosy.

6 / 1 — Lioka 5 : 13   Hoy Jesosy tamin’ilay boka nangataka fanasitranana : «  Mety Aho, madiova ianao ». Ary niala niaraka tamin’izay ny haboakany

7 /1–  Lioka 5 : 31-32  Hoy Jesosy «  Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary, tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka »

8 / 1 — Lioka 6 : 11 Dia feno fahatezerana ny olona nahita (ny fanasitranana nataon’i Jesosy ka nifampidinika) ny amin’izay ho ataony Azy.

9 / 1 — Lioka 6 : 20-26   Ny fahasambarana sy ny loza – Sambatra ianareo mahantra(mandefitra) fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra …

10 / 1 — Lioka 6 : 35-36  Koa tiava ny fahavalonareo ary manaova soa, dia mampisambora ka aza manantena valiny, dia ho lehibe ny valim-pitianareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, fa Izy mora fo amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo ianareo tahaka ny Rainareo izay Mpamindra fo.

11 / 1 — Lioka 6 : 49  …fa izay mandre, nefa tsy mankato, dia tahaka ny olona izay nanorina trano teo ambonin’ny tany, fa tsy nisy fanorenana ; dia namely azy mafy ny riaka ka nirodana niaraka tamin’izay ; ary loza ny faharavan’izany trano izany.

12 /1 — Lioka 7 : 13 «  Nony nahita an-dRavehivavy ( izay nanana zanaka narary)  ny Tompo dia onena azy ka hoy Izy taminy : « Aza mitomany »

13 /1 — Lioka 7 : 25 Hoy Jesosy tamin’ny mpianatra «  Aiza ny finoanareo ? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe : Iza moa ity no miteny mafy ny rivotra sy ny rano ka manaiky Azy izany !

14/1 — Lioka 7 :  52 Ary nitomany sy niteha-tratra ny olona noho ny amin’ilay vehivay nanana zanaka narary . Fa Jesosy niteny hoe «  Aza mitomany, tsy maty izy, fa matory ….. 54 Ary nandray ny tanany izy ka niantso hoe : « Ry zazavavy miarena. Dia nody indray ny ainy ka niarina niaraka tamin’izay izy, ary nasainy nomena sakafo .

Ny bokin’i Nehemia ( Nehemia dia governora- manam-pahefana- Nanana andraikitra lehibe amin’ny fanarenana ny fiainan’ny olona tany Jerosalema izy – navesatra dia navesatra izany)

15/1 — Nehemia 1: …8 Raha manao izay mahadiso ianareo dia hampiely anareo any amin’ny firenena maro Aho; 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankato azy, na dia hisy ho voaraoka hatrany am-para-vodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako anareo ka ho entiko ho eo amin’ny toerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako ianareo….

Nehemia 2 : 3b  nahoana moa no tsy halahelo tarehy aho raha rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady efa levon’ny afo ny vavahadiny? …. 20 : Hoy Nehemia tamin’ireo nanaraby azy : « Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay ka hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory aty Jerosalema.

16/1 — Nehemia 3  Milaza ny nananganan’ireo olona marobe ny mandan’i Jerosalema

            Salamo 91: 1 Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. .. . 16 : Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko.

17/1 — Nehemia 4  –Ny fahasarotan’ny fananganana ny mandan’i Jerosalema

and :5 Hoy ny fahavalo ‘ Tsy hahalala ny jiosy na hahita raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa ‘.

and:6 Ary rehefa tonga ny jiosy izay nonina teo akaikin’ireo ka niteny impolo taminy hoe : Na avy aiza na avy aiza ianareo dia miverena aty aminay… ( mailo sy nitandrina ny olona niasa )

18/1 — Nehemia 5 : Betsaka ny mpanararaotra . Nehemia dia nitantara ny fanambakan’ny olona ny havana na ny namana. Nitsinjo ny vahoaka  Nehemia ary tsy naka hetra tamin’ny governora.

and 2: — Ny tany sy ny tanim-boaloboka ary ny trano dia natao antoka …(vokatry ny fanambakana)

and:7–  Samy nampanjanaka tamin’ny rahalahany avy ny olona …

and: 14– Hatramin’ny andro nanendrena ahy ho governora hoy Nehemia … izaho sy ny rahalahiko, dia tsy mba nihinana izay anjara fiveloman’ny governora. and 15 : Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efapolo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ny olona; fa izaho dia tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.

19/1 — Nehemia 6 — Izao no navalin’i nehemia an’ny fahavalo izay te-hanasakana ny asa.

and  3 : Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina any aho; nahoana no hilaozako midina any  aminareo ny asa ka hahatsahatra ?

20/1 — Nehemia 7 – fanendrena iro olona mahatoky, izay tsy iza fa Hanany rahalahin’i Nehemia sy Hanania -lehiben’ny tao an-dapa izy io

and: 2 …fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro.

21/1 — Nehemia 8 – Fanazavana ny famakian’i EZRA ny lalana. Nitsangana ny olona nandritra ny fotoana namakiana izany.

22/1 — Nehemia 9 — Lava dia lava ity toko ity

and : 2 : DIa niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’Israely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

and  5- 37: Vavaka fiaiken-keloka

and 36-37  » Ankehitriny, indreto, tonga andevo izahay izao. Ary eto amin’ny tany izany nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto andevo eto izahay.

mahavokatra be izy, kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hitondra anay noho ny fahotanay ihany izany,; eny, mifehy ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy ka azom-pahoriana mafy izahay.

23/1 — Nehemia 10  – Nehemia governora dia nanisy tombon-kase ny fanekena  .  Fanekena mafy izay nosoratana  no natao- Nisy fianianana mihitsy.  and 40 c  ‘ Tsy hahafoy ny tranon’Andriamanintsika isika’

24/1 — Nehemia 11– Nony ny ady dia nifindra monina ny olona. Ary ity toko ity dia mitantara ny fiverenan’ny olona tao Jerosalema. Somary sarotra ihany na dia tsy ny rehetra aza no hitoetra tao.Fa dia samy nanaiky ny fandaminana.

25/1 — Nehemia 12 — Ny anaran’ny mpisorona sy Levita ary ny fitokanana ny manda indray izay voaorina .