Assis sur leur chaise de jardin, un vieillard murmurait à son épouse : « Te souviens-tu de ce que je t’ai dit ? A quoi ressembles-tu mon amie. La nuit est si noire. Que tu prends sa couleur. A quoi ressemble-tu mon amie. Je t’enlace. Je t’embrasse. La nuit te cache.

A quoi ressembles-tu mon amie ? Je te caresse. Ta peau est si douce. Ton parfum est si exaltant. Tes cheveux ondulés me caressent.

A quoi ressembles-tu mon amie. La nuit n’est pas encore levée. Et je t’ai aimée. La nuit nous a transformés. Nous avons la même couleur. La même fraîcheur, la même odeur. Nous avons laissé derrière nous les malheurs. Pour retrouver un instant de bonheur. A quoi ressembles-tu mon amie. Le jour va se lever. Qu’allons-nous devenir ? A quoi ressembles-tu mon amie. Car mon cœur tu l’as gardé ».

Et tu me répondis : «  Un jour je te reverrai.

J’attends que tu m’embrasses de nouveau.

Car ton amour est pur, exaltant.

Tu me fais tourner la tête.

Mes amies font la fête.

Viens emmène-moi

Fais- le pour moi, là-bas

Dans ce village tu as bâti mon lieu secret.

Vraiment je t’aime

Ce soir je t’attends

Sur la cime de la montagne. »

Ce vieillard disait : «  souviens-tu que nous nous sommes levés. Nous marchions dans la nuit. La nuit profonde. Nos pieds sont gelés. Nos mains se sont serrées. Eloignés du monde, je te murmurais : Embrasse-moi mon amour. Embrasse-moi. Embrasse-moi mon amour. Embrasse-moi, tu es ma bien-aimée.  Collés côte à côte, je te sens si douce. Tu m’as soufflé ton nom et je suis enivré.

Dans cette longue marche. Nos  amis nous  cherchent. Viens, quittons ce lieu. Ailleurs, c’est mieux. Sauvons-nous».

Et lentement elle continuait : « Mon amour, tu m’emmènes chez toi. Quel bonheur, je te suis. Nous fêtons notre amour. C’est sûr, je t’aime, tu m’aimes. Malgré mon visage abîmé. Ton amour m’a redonné vie. Ne t’éloigne pas de mon visage. Le vent froid l’a décapé. Mon corps est blessé.

Tous m’ont abandonné. Ô dis-moi, toi mon amour. Je me sens délivré. Car avec toi, je ne suis pas égaré. Nous marchons dans la nuit. La nuit est profonde. Tiens-moi contre toi serré. »

Et ensemble, ils dirent :

« Nous marchons dans la nuit profonde. Je ne rêve pas. Tu es la femme que j’aime. Et toi, l’homme que j’aime ».

Moi, la passante, je n’ai pas rêvé, la lune les éclairait et les roses étaient rouges.

Auteur: Julia Darsot

 

Amin’ny teny malagasy

 

EO AN-TAKARIVAM-PIAINANY

Indro lehilahy efa voky taona iray mibitsika amin’ny vadiny, mipetraka eo ambony sezan-jaridaina izy roa : « Tsaroanao va ilay nambarako anao ? Toy inona ny endrikao Rahavako. Maizina ity alina ity. Ka zary toa maka ny volony ianao. Toy inona ny endrikao Rahavako. Etsy ianao ho fihiniko. Orohiko. Afenin’ny alina ianao.

Toy inona ny endrikao Rahavako ? Safoiko. Malefaka ery ny hoditrao. Mamerovero fatratra ny hanitrao. Manafosafo ahy ny volonao oly.

Toy inona ny endrikao Rahavako. Mbola tsy nifoha ny alina. Dia nitia anao aho. Novain’ny alina isika. Nanjary nitovy volo aminy. Ny hasoany, ny hatsiatsiakany, ny fofony. Nariantsika ho an’ny lasa ny alahelo. Mba hibanjinana ity fotoam-pahasambarana. Toy inona ny endrikao Rahavako. Hiposaka ny andro. Hanjary ho inona isika ? Toy inona ny endrikao Rahavako. Fa notazoninao ny foko».

Dia hoy ianao namaly ahy : « Indray andro mbola hihaona isika

Hiandry ny orokao indray aho.

Satria madio ny fitiavanao, mamelombelona.

Sangodimpaniko ianao.

Mikorana ireo sakaizako.

Ndao, ento aho

Ataovy izany mba ho ahy, ery

Amin’iry vohitra kely iry no nanangananao ny toeran-tsiambarateloko.

Tena tiako ianao

Rahariva aho hiandry anao

Ery an-tampon-tendrombohitra. »

Dia hoy ilay lahiantitra : «  Tsaroanao ve fa nifoha isika. Nitsangantsangana tao anivon’ny alina. Ny alina matevina. Ngoly ny tongotsika. Nifamihina ny tanantsika. Lavitra ny tontolo isika, dia nobitsihiko ianao hoe : Orohy aho malalako. Orohy aho. Orohy aho malalako. Orohy aho, fa ianao no olon-tiako.  Mifanakaiky indrindra isika, ô malefaka ianao. Nobitsihinao ny anaranao aho dia mamo.

Lava izany diantsika izany. Nitady antsika ireo sakaizantsika. Ndao, ndeha hilaozantsika ity toerana ity. Misy mbola tsara any ankoatra any. Ndao hitsoaka. »

Dia nanohy moramora ravehivavy : « Ry malalako, entinao ho any aminao aho. Hasambarana, ekeko. Mankalaza ny fitiavantsika. Tafatoetra ho tiako ianao, ianao tia ahy. Na efa simba aza ny endriko. Nanome aina indray ny fitiavanao. Aza mihataka amin’ny endriko. Nokikisan’ny rivo-mamanala izy. Maratra ny tenako.

Nandao ahy avokoa ny rehetra. Ô, lazao ahy, ry fitiavako.Mahatsiaro ho afaka aho izao. Satria eo anilanao ka tsy very. Manavatsava ny alina isika. Ny alina matevina. Fihino mafy aho.»

Dia niara-niteny izy roa:

« Manavatsava ny alina matevina isika. Tsy manofy aho. Ianao no ilay vehivavy tiako. Ary ianao ilay lehilahy lalaiko.».

Izaho, ilay mpandalo, tsy nanofy koa, notsilovin’ny tara-bolana izy roa, ary mena ny raozy.

-Nosoratan’i Julia Darsot –

-Nadikan’i Hanitr’Ony. Androany 29 aogositra 2018 : Filohan’ny HAVATSA UPEM France :Union des poètes et écrivains-