Tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 1818 ireo misionera protestanta ny LMS. Tany amboalohany dia tany amorontsiraka antsinana izy ireo no nitoby tany Toamasina indrindra. Radama 1°, mpanjakan’i Madagasikara tamin’izany fotoana izany dia nihevitra fa ilain’ny taniny ny fampandrosoana sy ny fivoarana nananan’ny tandrefana. Nanao didy izy manokatra ny tany sy ny fanjakana ho an’ny misionera. Nanorona sekoly ny misionera, niezaka hampianatra ny zaza Malagasy hamaky teny sy hanoratra. Isan’izany RASALAMA zazavavy avy ao Manjakaray eo avaratr’Antananarivo.

Maty tamin’ny taona 1828 RADAMA. I MAVO vadiny no nandimby azy ary nandray ny anarana hoe : RANAVALONA Voalohany. Tany am-boalohany dia nifanaraka tsara tamin’ny misionera izy. Nefa ireo mpanolo-tsaina azy dia tsy faly tamin’ny misionera izay noheveriny fa handrombaka ny toerany ka nanoro hevitra ny Mpanjaka handrara ny fivavahana kristiana. Vetivety foana dia lasa tsy tia vazaha izy. Izay rehetra nentin’izy ireo dia norarany avokoa. Lasa razam-bazaha i Jesosy Kristy taminy

Nenjehan’ny Mpanjaka ireo « Mpanao Badisa ». Lasa heloka ny maha-kristiana ka mitarika sava hao, fanaovana sesi-tany, fanamelohana ho faty aza. Rasalama sy ireo namany na izany aza dia mbola nivory an-tsokosoko ka nanao fanompom-pivavahana tao an-dava-bato tao Manjakaray.

Tao aorianan’ny fisavana tao an-tranony dia nahitana boky voarara tao aminy. Noho izany dia nentina namidy ho andevo avy hatrany tao Ambatondrafandra izy. Novidin’ny Praiministra izy satria fantany fa havan’ny namany RAMIANDRAVOLA. Ary dia napetrany tao amin-DRamiandravola izy mba ho reseny lahatra.

Indray andro nalahelo noho ny tsy rariny natao tamin’ireo namany RASALAMA dia niteny tamin’ny vadin-dRamiandravola hoe :

“Mba mahagaga ihany ny mahita olona tsy mpikomy, tsy mpangalatra nefa dia hatao sava hao ary dia hamidy ho andevo. Mba mieritrereta ihany sao hiaran’ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo.”

Tezitra noho izany ny vadin-dRamiandravola ka lasa nitatitra tany amin’ny vadiny  izay rehetra reny. Ity farany koa lasa nakany amin’ny Praiministra nitaraina. Na izany aza Rainiharo  dia nanoro hevitra an-dRamiandravola mba hanova an-dRasalama amin’ny fomba rehetra.

Hoy Ramiandravola tamin’i Rasalama indray andro : « Fantatro fa mpihavana isika fa raha mbola manohy manao izay tsy tian’ny Mpanjaka ihany ianao dia tsy mpihavana intsony isika. Izaho tsy manana hatahorana afatsy I Rainharo sy ny Mpanjaka.”

–“Raha tia ny Mpanjakan’ny tany tahaka izany  ianao, nahoana aho sakananao tsy ho tia sy hanaja ny Mpanjaka ny lanitra » hoy Rasalama taminy

-“Mangina eo fa indro zairo ity akanjoko ity fa ilaiko” hoy Ramiandravola

-“Azafady Tompoko, tsy afaka manjaitra an’iny aho satria Alahady androany, andro ny Tompo” hoy Rasalama

-“Ikala ratsy ity ! hahita ahy ianao androany”

-Tandremo ny teny ataonao. Mbola hihaona eo anatrehan’Andriamanitra izaho sy ianao »

-« Iza no hifanatrika aminao ry kala ratsy ity »

-« Eny Tompoko, tsy maintsy hisy izany”

Tezitra noho izany  RAMIANDRAVOLA ka lasa nitatitra tany amin’i RAINIHARO, izay lasa nitantara tany amin’ny Mpanjaka ny zava-miseho avy eo.

-“Hay maninana ahy I Kala adala iny ! Tsy misy Mpanjaka hafa afatsy izaho eto Madagasikara. Vonoy any iny” hoy Ranavalona

Nogadraina avy hatrany tao amin’ny Fiangonanan’Anmbatonakanga  i Rasalama. Natao gadra-fohy izy, izany hoe : nafatotra tamin’ny rojo vy mitambatra ny tanany sy ny tongony, ka voatery miforitra mifanakaiky amin’ny tongony ny lohany. Tsy nitarainany anefa izany fa hira sy vavaka no nandanian’iny alina nigadrany.

Ny marainan’ny 14 aogositra 1837 dia nentina ho lefonina tany Ambohipotsy izy.  Teo Andohalo dia niato kely izy ka nitodika nijery ny Fiangonana no sady niteny hoe :”Tao no nahitako an’i Jesosy Kristy”

Teny an-dalana dia tsy nitsahatra nihira i Rasalama ary isan’ny hira nohirainy ny fihirana 540 ao amin’ny fihirana FFPM: Hitako ny lalan-tsara ka izorako izao. Nandalo ny lapan’ny Praiministra sy ny Rovan’i Manjakamiadana ny làlana vao tonga tao Ambohipotsy.

Nandohalika nivavaka i Rasalama ary teo no nandefonana azy.

Rasalama no maritiora kristiana malagasy voalohany, nefa tato

aorianany dia mbola nisy ny nolefonina tao Ambohipotsy, navarina tao Ampamarinana, nodorana velona taa Faravohitra ary notoram-bato tao Fiadanana.

Nohezahan’ny Protestanta Malagasy hovelona mandrakariva ny fahatsiarovana azy. Betsaka ireo fiangonana mitondra ny anarany ary an’isan’ireny Ambohipotsy  nadefonana azy sy Manjakaray izay Tanàna niaviany. Ao koa ny Kolejy Rasalama izay  naorina ho fahatsiarovana ny faha-120 taona nandefonana azy.

Nihoatra an’i Madagasikara ny lazany. Raha mandalo any Bristol any Angleterre ianao dia aza hadino ny mitsidika ny Fiangonana Protestanta ao fa misy tsangam-bato natokana ho fahatsiarovana azy ao.