Matio 15: 7 -20

Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanin’Isaia  hoe: »

Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy .Koa foana no ivavahan’ireo amiko. Raha mampianatra ny didin’ny olombelona ho fampianarana izy -(Isaia 29:13)

Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Jesoa ka nanao taminy hoe « Mihainoa ka mahafantara: tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivaoka amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona ».

Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe « Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany? Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. Avelao izy, mpitarika jamba izy, ary raha ny jamba no mitarika  ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.

Ary Petera namaly ka nanao tamin’i Jesosy hoe : Lazao aminay ny hevitr’izany fanoharana izany. Dia hoy Jesoa: Ianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra ao amin’ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ny fivoahana. Fa izay mivaoka amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Fa avy amin’ny fo ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ampanga, ny lainga, ny fitenan-dratsy. Izany no mahaloto ny olona, fa ny mihinana amin’ny tànana tsy mba mahaloto ny olona.

Taona vitsivitsy taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ maty no nanoratan’i Matio io toritenin’i Jesoa io. Nefa dia toa mbola marina ankehitriny.

Raha ny kristiana aza tsy miova fo ahoana no ahazony mitory ny fibebahana ho an’ny hafa.Tsy misy miafina azo afenina.

Mampitandrina an’izay milaza ho mpivavaka ny Soratra Masina sao mamitaka ny tenany ary ny hafa koa. Efa nomena saina maranitra ny tsirairay ka hampiasao ho amin’ny tsara izany ho voninahitr’Andriamanitra fa tsy ho an’ny olona akory. Dia ahoana ary ny firenentsika ?