Raha jerena ao amin’ny Baiboly:

Ao amin’ny Testamenta taloha izay nosoratana tamin’ny teny hebreo dia tsy hahitana io teny « fiangonana « io mivantana. Fa avy amin’ny hevitra hoe : nantsoina na voantso ka mamaly izany antso izany (antson’Andriamanitra)

Ao amin’ny Testamenta vaovao izay voasoratra  amin’ny teny grika dia « ekklesia » ny « fiangonana »

Azo fintinina 3 ny hevitry ny hoe « Fiangonana« 

– Ny trano vita amin’ny vato, na biriky, na hazo na trano lay ka natao hivavahan’ny mitovy finoana.

– Ny  mpino izay lazaina hoe kristiana.

– Ny « institution » izay natao mba hisin’ny fandamianana eo amin’ny tany sy fanjakana. Ilaina ny rafim-pitondrana mba hahalalana ny asa

Ireto no malaza indrindra amin’ny anaram-piangonana: ny  Orthodoxe, ny Katolika, ny Protestanta…Ireo dia mbola misy fitsinjarana koa. Samy manana ny fombafombany avy koa.

Ny fandamiana sy fomba fiasa eo amin’ny Fiangonana protestanta no ho marihiko eto.( Any aorina mbola mety hijery ny hafa).

Ohatra iray- :Raha misy fanapahan-kevitra ho raisina mikasika ny fiangonana : fitondram-piangonana, fanendrena mpitandrina, fandinihina litorjia, sy ny fikasana samihafa. Dia efa tokony nodinihin’ny daholobe: ny mpitandrina, ny diakona na mpanolo-tsaina, ny mpandray fanasan’ny Tompo, na tsy mpandray koa aza indraindray. Ny hevitra dia hampakarina any amin’ny synodamparitany. Izay tapaka ao indray no miakatra any amin’ny synoda nasionaly. Io na ny synoda lehibe (filazana mitovy ireo) no farany amin’ny fanapahan-kevitra. Izay tsy vita na tsy tapaka eo dia miverina amin’ny synoda manaraka raha ilaina izany. Izay vita rehetra any koa dia averina amin’ny mpiangona indray hahafantarany fa ny hevitra tapaka dia nanany andraikitra koa ary tokony hampiharina.

Ny dikan’ny synoda dia milaza fiaraha-mandinika sy fiaraha-miasa. Izay no hevitry ny hoe : « syn » , avy amin’ny teny grika hoe « avec ».

Ny olona miasa matihanina ao amin’ny fiangonana dia antsoina hoe « mpitandrina » na « pasitera » avy amin’ny teny frantsay « izay mitovy amin’ny hoe « révérend » amin’ny teny anglisy.

Tsy hadino koa ny katekista izay tena mahavita tsara ny asany any Madagasikara.

 

 

Vous aimerez aussi :