Tsara ho fantarina ihany ny maha-protestanta. Famintinana ihany izy ity.

Ny dikan’ny hoe « protestanta » dia hoe  « mijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara » = »témoigner de l’Evangile » na «  attester de l’Evangile « . Satria io koa no nahamaika an’i Martin Luther. Ny fiverenana amin’ny fototry ny finoana dia ny « Filazantsara« .

Taty aoriana vao nomena ny dikany hoe  » Manohitra ».Diso hevitra izay mieritreritra fa ny protestanta dia tsy mana-tsaina afatsy ny hanohitra hatrany. Fa izany tsy manakana azy hilaza  ny tsy mifanaraka amin’ny Filazantsara na ny sitrapon’Andriamanitra.

Tany Alemana no nihavin’ny teny voalohany.

Ny ilazana ny protestanta any dia  » ny Loterana » ary ny Fiangonana protestanta any aza dia manomboka amin’ny hoe  » Evangeliche Kirche … Fiangonana évangélique ….

Ny ilazana ny protestanta any Frantsa dia  » Calviniste na Réformée »

Avy amin’ny Loterana sy Réformée no nihavin’ny karazana protestanta  maro. Ohatra ny « adventiste, évangélique, darbiste, assemblée de Dieu, pentecôtiste, évangélique  « sy ny maro hafa tsy ho voatanisa eto. ….

Misy izay tsy hitovizan’izy ireo eo amin’ny hevitra sasany.

Fototra vitsivitsy hijoron’ny protestanta.

– Ny famonjena dia maimaim-poana.

Ny finoana ihany.

Ny fahsoavana ihany.

-Ny fahefan’ny Soratra Masina.

– Ny Fanahy Masina dia miasa ao anatin’ny tsirairay.

-Ny maha-marina sy ny maha-masina dia avy amin’Andriamanitra . Fa tsy avy amin’ny olona akory.

-Ny fanompoam-pivavahana no asan’ny fiangonana

Roa (2) ihany ny » sakramenta »

-Ny Batisa sy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

 

Vous aimerez aussi :