Efatra (4) no fomba fihetsika fantatra rehefa mivavaka ny fiangonana.

1)    Mandeha

Salamo 18 : 36 (37) – Hahalalahinao ny làlana hodiaviko ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Salamo 23 : 4 – Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho. Dia tsy hahatahotra ny loza aho. Fa Ianao no amiko.

2)    Mitsangana

Salamo 27 : 5-6

Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ny andro fahoriana Izy … Koa dia hisandratra ambonin’ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako. Ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho. Hihira sy hankalaza ny Tompo aho.

Salamo 30 :1 – Hanandratra Anao aho Tompo fa nampitsangana ahy eo anatrehan’ny fahavaloko Ianao.

Marka 11 : 25 – Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo.

Matio 9 : 6 – Misangana ary mandehana

3)    Mipetraka

Salamo 91 : 1 – Ny  mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha .

Marka 6 : 30-44 . Nandritra ny fotoana nivavahan’ny Tompo Jesoa, dia nipetraka ny olona nihaino ny vavaka nataony.

 

4)    Mandohalika na miankohoka

 Salamo 5 : 7- (8) – Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindramponao dia hiditra ao an-tranonao. Hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho.

Daniela 6 :10 –  Daniela dia nandohalika in-telo isan’andro nivavaka

Asan’ny Apostoly 21 : 5 –  Nandohalika teo amoron-drano izahay ary dia nivavaka.

Eksodosy 20 : 5Aza miankohoka eo anatrehan’ny sarin-javatra voasikotra , na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay ety amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany, ary aza manompo azy …

Marobe ny ohatra azo alaina ao amin’ny Baiboly mikasika ireo fihetsika efatra (4) ireo.

Vous aimerez aussi :