1/6  — 1 Korintiana 16 : 23-24

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo. Ny fitiavako ( hoy  Paoly)  dia ao aminao rehetra ao amin’i Kristy Jesoa. Amena

2/6 —  Psaumes 140 : 6

Andriamanitro Ianao. Henoy ny feon’ny fifonako ry Tompo Andriamanitra.

* Miditra amin’ny  bokin’i Ezekiela. Fotoan-tsarotra. Nijaly ny mponina. Noho ny fihodinan’ny olona tamin’Andriamanitra no heverina fa nahatonga izany. Ny mpanoratra moa dia manoratra amin’tenin’ny olombelona ka mahavariana ny fitantarany ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny loza efa misy sy mety mbola hitranga.

3/6 – Ezekiela 1 : 1-14

Ny fahitan’i Ezekiela ny voninahitry ny Tompo Andriamanitra. Mahavariana ny sary hitantarana izany voninahitra izany. Vakio manontolo raha misy fotoana ianao.

4/6 —  Ezekiela 1 : 15 – 28

Tohin’ny fahitan’i Ezekiela ny voninahitry ny Tompo Andriamanitra.

5/6  — Ezekiela 2 : 2

Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.

Ezekiela 3 : 3

Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao ary fenoy ity horonan-taratasy  omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.

6/6  — Ezekiela  3 : 20-21

Raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia ho faty izy ; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana  izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa ho hadiniko amin’ny tànanao ny rany. Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra, ary voavonjinao koa ny fanahinao.

7/6  — Ezekiela 4

Ny faminaniana hitan’i Ezekiela momba an’i Jerosalema.( Tsara vakina manontolo) – Nampalahelo ny zavatra nitranga tamin’ny fanaovana fahirano.

8/6 – – Ezekiela 5 : 1-17

Tratran’ny loza Israely ary feno fahatezerana Andriamanitra. Nahatsiravina ny zavatra nihatra tamin’ny firenena : fandringanana sy hanohanana noho izy niala tamin’Andriamanitra.

9/6 – – Ezekiela  6 : 1-14

Fampitandrena nataon’Andriamanitra noho ny firenena nivadika taminy ka lasa nanompo sampy.

10/6 – Ezekiela 7 : 1 – 14

Ny toko faha 7 dia anisan’ireny milaza ny amin’izay  ihafaran’ny firenena raha tsy mitandrina.

Mbola fampitandremana  tamin’izany fotoana izany koa : «  Aoka tsy hifaly ny mpividy. Ary aoka halahelo ny mpivarotra. Fa iharan’ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra (and : 12)

11/6  — Ezekiela 7 : 15 – 27

and :15 : ny sabatra no eny ivelany. Ary areti-mandringana sy mosary kosa ao anatiny

and: 27 : Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana. Ary hangovitra ny tànan’ny vahoaka. Araka ny alehany no ataoko aminy. Ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy. Ka dia ho fantany fa izaho no Tompo Andriamanitra.

12/6  — Ezekiela 8

Milaza ny amin’ny zavatra ratsy nitranga tao an-tempoly tamin’ny andron’i Ezekiela. Mahamenatra.

and: -,9,13,15,17 – Ao amin’ireo andininy ireo dia miverina toy izao ny tenin’Andriamanitra  :  » Ry taranak’olona ( na zanak’olona)-jereo ny fomba ratsy maharikoriko ataon’ireto olona ireto « .

and 17 : Nefa tsy afa-po amin’izao fomba maharikoriko ataony izao izy fa mbola fenoiny herisetra koa ny tany, ka mampanao izay mahasosotra Ahy (Andriamanitra) lalandava izy.

13/6 — Ezekiela 9  : Tantara sarotra ! Tsy azo arahina ara-bakiteny.

Salamo 59: 17 : Ry Heriko ô, Ianao no ankalazaiko. Fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra izay mamindra fo amiko.

14/6 — Ezekiela 10Ny fahitana vaovao hitan’i Ezekiela , mitohy amin’ny toko faha: 11

15/6  — Ezekiela 11

and 19-20 Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, mba handehananay araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, Ary Izaho ho Andriamaniny.

16/6 — Ezekiela 12: 19b-20b

Hoy ny Tompo  ny amin’ny mponina ao Jerosalema ao amin’ny tanin’ny Israely:  » Amin’ny ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amin-pahatalanjonana no hisotrony ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan’izay rehetra monina ao aminy. Dia ho rava ny tanàna onenana ary ho lao ny tany… »

Salamo 62: (9) 10

Aza matoky ny fanaovana an-keriny; ary aza miantehitra amin’ny halatra. Raha mitombo ny harena, dia aza hanorenana ny fonareo.