Genesisy 19 : 1 – 29

Inona moa no nampahalaza an’i Sodoma sy Gomora? Toa mihifikifika ny lohan’izay rehetra miresaka azy ireo. Zava-doza ve no nitranga tao ? Tsy ho ary voatantara.  Lasa fomba fiteny ny hoe « toa an’i Sodoma sy Gomora  ! ». Indrindra moa rehefa mikasika ny fitondran-tena. Nihoatra ny tokony ho izy ny zava-niainana tao. Ary izay ho tsara dia heverina toa ny ratsy. Ka izay ratsy dia natao ho tsara sy nakahasitrahana ary narahin’ny maro. Ny fanatanterahana izany dia fanaovana ny Tompo Andriamanitra ho tsinontsinona tokoa. Ary fivadihana Aminy izany. Atao ahoana moa ny hanajana an’Andriamanitra tsy hita maso raha tsy afaka manaja ny olona izay hita maso?

Andriamanitra araka ny voalazan’ny mpanoratra eo amin’ny toko teo aloha dia te-hamonjy ireo tanàna ireo. Tsy nitsahatra nitady izy raha nisy olona marina ao. Nefa dia tsy nahita. Tsy nahita ê.

Eto amin’ity toko ity dia naniraka anjely roa lahy Andriamanitra mbola hitady olona ihany sao dia mbola ho avotra ny tanàna. Tsy nisy. Tsy miafina fa fampidirana fahasoavana ny fampiantranona ireo roa lahy ireo. Ireo no nahita koa ny zava-misy. Ireo no namoaka an’i Lota an-keriny ho voavonjy. Nosintonina tao satria ho levonina ny tanàna . Maty noho ny faharatsiana. Na ny olona tao aza dia saika namono ary vonona ny hanao izany amin’ireo vahiny izay namangy an’i Lota.

Ho simba sy ho levona ny toerana ary asaina miala tao i Lota sy ny fianakaviany. Ny vinanto lahy roa moa dia tsy avotra fa asa izay nataony… Ny zanaka vavy roa sy ny vadin’i Lota ihany no nanaraka azy. Saingy ilay vady dia nierika ka lasa vongan-tsira hoy ny tantara.

Izy telo mianaka ihany no tafatsaoka tao. Nirehatra ny tanàna. Tsy avotra instony. Indrisy!

Raha mandinika ity tantara ity, dia mametra-panontaniana hoe : Iza moa no olona te-hiala amin’ny tanàny? Na dia atao aza hoe : ratsy sy mampangirifiry ny zava-miseho sy hiainana ao. Ho afa-mandositra avokoa ve ny rehetra? Hitantsika amin’ireny loza mitranga eran-tany fa na atao aza ny hanavotana dia misy ihany ny maty. Misy ny tsy voavonjy na te tsy ho tratran’ny fahafatesana aza.

Ho tanisaina eto ve ny zavatra mitranga ao Sodoma sy Gomora ? Tsy mety angamba izany satria samy hita amin’ny  ny tanàna maro amin’izao fotoana izao izany. Fa maro ny manao izany ho hodian-tsy hita. Ity tantara ity dia milaza fa aleon’ny olona maty toa izay miala amin’ny ratsy fataony. Satria tiany sy mahafinaritra azy ny miaina amin’izany. Misy tezitra rehefa hilazana izany. Nefa izay no misy ê !

Misy koa ireo toa an’ny vadin’i Lota. Te hitsaoka, te ho voavonjy ihany. Saingy tsy nahafoy ny toerana sy ny zavatra nitranga tao. Henjana ny tantara, sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Mila ezaka ara-tsaina sy ara-batana. Mila fanampina toa an’i Lota. Raha tsy teo ireo anjely roa lahy dia angamba tsy ho avotra izy. Satria noterena, natosika izy hivoaka.

Tao anatin’ny Krizy mafy ny tanàna ary mila fanapahan-kevitra. Ahoana ary aiza no hahitana izany. Izay toa an’ny vadin’i Lota dia izay tsy mahavita na inona na inona satria mahatsiaro fa mbola mamy ny fiainana teo aloha na dia efa tokony ho hialana aza izany. Ka na lavitra aza, na nanomboka niala tao an-tanàna aza dia mbola tratran’ny fahafatesana ihany.

I Lota ve satria tao anatin’ilay fianakavian’Abrahama dia tsy nisy loza nanjo azy satria tao ny fanajana ny fanekena natao taloha tamin’i  Abrahama.

Tsy hampitahy an’I Madagasikara amin’i Sodoma sy Gomora aho fa ny tsirairay no mahita izay mitranga eo amin’ny firenena. Ny fanapahan-kevitry ny tsirairay sy ny fahendreny no hitondra filaminana sy fanavotana . Raha tsy mazoto ho amin’izany dia fahaverezana  amin’ny lafiny maro no miandry antsika. Koa inona no fanapahan-kevitra: Hiroso amin’ny fahafatesana sa ny fahavelomana ? Aza mandiso fanantenana an’Ilay Andriamanitra namorona anao. Amena.