1/5  –2 Tantara :  36 (Vakio ny toko manontolo)

Tantaran’ny mpanjaka vitsivitsy . Tanora dia tanora. Tsy naharitra ela teo amin’ny fanjakana noho ny faharatsiana nataony. Na ny mpisoronabe aza dia nanondrana koa. Farany dia tonga i Kyprosy mpanjakan’i Persia (and 23 b) ka niteny hoe : « Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony ?  Ny Tompo Andriamanitra anie homba azy, fa aoka izy hiakatra ».

2/5 — Salamo 136 : 1

Miderà ny Tompo Andriamanitra fa tsara Izy. Fa mandrakizay ny famindrampony.

3 /5 — 1 Korintiana 1 : 3

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy.

4/5 — 1 Korintiana 1 : 26 -31

26Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana, 27  fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidiny hampahamenatra ny mahery; 28 ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevatevana no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny  misy , 29  mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nataon’Andriamanitra ho fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana sy fanavotana ho antsika, 31  mba ho araka ny voasoratra hoe  » Izay rehetra mirehareha aoka ny Tompo Andriamanitra no ho reharehany (Jeremia 9:23)

5/5 –1 Korintiana 2 :12

Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika.

6/5 — 1 Korintiana 3: 5 – 6

Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay namboly, na izay nandena, fa Andriamanitra Izay nampitombo no izy.

7/5  1 Korintiana 4 : 2

Ny mpitandrina ( responsables) dia tokony ho olona mahatoky.

8/5 — 1 Korintiana 5 : 6 – 9  (Tsara raha vakina ny toko manontolo)

Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra ? Esory ny masirasira ela, mba ho vonagana vaovao ianareo, araka izay tsy misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy Paska ho antsika.; ka dia aoka isika hanao andro firavoravona, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.

9/5 — 1 Korintiana 6 : 5b & 8

…Hay ! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny…

…Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka ny rahalahinareo aza…

10/5 — 1 Korintiana 7 ( Tsara vakina ny toko manontolo)

and: 16: Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na ho vonjenao ny vadinao na tsia ? Ahoana moa no ahafantaranao, ralehilahy, na ho vonjenao ny vadinao, na tsia ?

11/5  — 1 Korintiana 7 : 24

Ry  rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin’Andriamanitra ao amin’izay niantsoana azy avy.

12/5  — 1 Krorintiana : 7 (Tsara vakina and25-40)

and: 35: Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana, fa hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivzen’ny sainareo.

13/5 — 1 Korintiana 8 : 6

Amintsika Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray. Izy no nihavin’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika. Iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

14/5 — 1 Korintiana  9: 14

Voalazan’ny Tompo fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara.

15/5 — 1 Korintiana 9 : 20 – 23

Tamin’ny jiosy, dia tonga toy ny jiosy aho, mba hahazoako ny jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna.Tamin’izay tsy manana ny lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazokoako izay tsy manana lalàna. Tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’y olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. Ary izany rehetra izany dia nataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.

16/5  — 1 Korintiana 10 : 12

Izay manao azy ho efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.

17/5  —  Marka 16: 11

Ary ny mpianany na dia nandre aza fa velona izy, sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.

18/5 — 1 Korintiana 10 : 24

Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany

19/5 — 1 korintiana 11 : 12b

Fa Andriamanitra no ihavian’ny zavatra rehetra.

20/5 –1 korintiana 11: 17-34 (vakio manontolo)

Momba ny fisarahana sy ny faharatsiana ao am-piangonana nefa handray ny fanasan’ny Tompo.

21/5 — 1Korintiana 12: 4

Isakarazany ny fanomezam-pahasoavana, fa iray ihany ny FANAHY.

………….

29 /5 –1 Korintiana 15: 10

fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa nisa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko.

30/5 — 1 Korintiana 15 : 19

Raha amin’izao fiainana izao ihany no anatenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.

31/5 — 1 Korintiana 15 : 58

Miorena tsra, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana akory ny fikelezanareo aina.