ANKEHITRINY Tompo manondrika ny lohanay izahay mivavaka Aminao. Betsaka ny ady ren’ny sofinay sy tazan’ny masonay. Malahelo mafy ny fonay. Indrisy Tompo, inona no azonay atao ? Marobe ireo very fananana noho ny hetraketra. Marobe ny olona maratra noho ny ady sy ny fandrombana ary ny loza. Maro ny tsy mana-ko hanina sy kamboty. Akambanay amin’ny vetson’ny Salamo : 42 ny vavaky ankehitriny « Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ony No anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ? Ny ranomasoko no fiahiko andro aman-alina, Amin’ny anaovany ahy mandrakariva hoe : Aiza izay Andriamanitrao ?…

Nahoana no mitanondrika hianao ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko ? Manatenà an’Andriamanitra hianao, fa mbola hidera Azy ihany aho. Noho ny famonjen’ny tavany. Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko….

Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ny riananao ; Ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy. Andriamanitra handidy ny famindrampony nony andro, Ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, Dia vavaka amin’Andriamanitry ny aiko…

Andriamanitra vatolampiko : nahoana no nanadino ahy Hianao ? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ny fahavaloko  ? Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako ny fandatsan’ny fahavaloko ahy. Ka hoy izy : aiza izay Andriamanitrao ?

Nahoana no mitanondrika hianao, ry fanahiko ? Ary nahoana no mitoloko ato anatiko hianao ? Manatenà an’Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho,

Izy no famonjena ny tavako sy Andriamanitro « . Amin’ny anaranao Jesosy Kristy no hanononanay io vaka io. Amena