NY bokin’ny Salamo no hira voalohan’ny Fiangonana. Antsoina koa hoe Hira-Vavaka. Azonao atao solom-bavaka izy io ankehitriny. Avy amin’ny Salamo 24 no notsongaina ilay hira malaza hoe :

 » An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Fa Izy no nanorina azy tambonin’ny ranomasina. Tambonin’ny rano no nampitoerany azy. Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah ? Ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina ? Izay madio tànana sy mahitsy fo Izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, Na mianianina hamitaka. Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy, Ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy. Izany no taranaka mitady Azy. Izay mitady ny tavanao dia Jakoba. Asandranto ny lohanareo, ry vavahady, Ary misandranta ianareo, ry varavarana fahagola, Mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra. Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao ? Jehovah mahery Tsitoha Jehovah Mpiady mahery. Asandrato ny lohanareo ry vavahady ; Ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, Mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra. Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao ? Jehovah, Tompon’ny maro, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra.  »

Ho an’izay tsy mahay ilay hira :  » Marina fa Anao tokoa ny tany rehetra sy izay eo aminy. Noho izany dia masina avokoa ny tany manontolo. Noho ny fitiavan-tena dia voasaratsaraka ny tany sy ny mponina eo aminy . Koa atambaro Tompo ô ny zanak’olombelona hahay hiara-monina eo amin’ny lafiny rehetra izay tsy hitovizana : ny fiteny, ny kolon-tsaina, ny fahaizana, ny toeram-piavina, ny harena,. Sokafy ny fon’ny tsirairay ho toy an’i Jerosalema hidiranao. Mahatsiaro koa amin’izao fankalazana ny alahadin’ny sampan-drofia ny kristiana rehetra eran-tany. Eny misy ireo izay tsy afaka miara-mivavaka noho ny ady sy ny hanoanana. Mamindra fo Tompo ô. Miantra.. Aza avela ho kivy na dia sarotra aza ny am-pitso. Manakambana ny vavakay amin’ireo kristiana any Corée du Nord, Corée du Sud, Japon, Irak, ary Madagasikara.Amena.

Tsodrano avy amin’ny Salamo24:5

 » Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy, Ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy ».