Rehefa manakaiky ny fety na misy fikoranana dia ao ireo izay manangona zava-pisotro isakarazany ho haroso amin’izany. Ao anatin’izany ny divay sy ny zava-pisotro isakarazany misy  alkola.Heverina fa rehefa tsy ambony latabatra io dia tsy olona ambony. Misy ny somary tezitra rehefa tsy mikasika an’io ny vahininy fa toa hoe: tsy manome voninahitra ny tompon-trano. Misy ireo izay mamporisika ny hisotro divay satria anisan’ny fidiram-bola be ho azy  . Nefa koa misy ireo izay mahazaka tsara ny divay sy ny karazany. Samy manana ny toe-batany ny olona.

Saingy ho an’ireo izay tsy mahatanty dia miteraka zava-doza izany.

-Ao ireo izay tsy mahita ny làlana hodiany fa mivembena eran’ny arabe.Ka mampatahotra no mampalahelo.

– Ao ireo nahatonga loza  toy ny firakodia nifandona. Ao ny naratra mafy. Tsy fantara na ho faty na ho velona. Ao ny maty.Ao koa ny tsy naninona.

-Ao ny niditra am-ponja satria nahafaty olona vokatry ny fisotroana be loatra.

-Ao ireo izay mamono ny ankohonany:mikapoka isan’andro.Miferin’aina ny fianakaviana rehefa hody ilay mamo.

-Ao ireo izay misotro an-kinafinafina fa sao tsy tafiditra an-trano.

-Ao ny voan’ny aretina mikiky miadana no mampijaly.

-Ao ny manompa. Tsy mahalala menatra intsony na dia heverina fa olon-dehibe aza.

-Ao ny tsy mitondra vola intsony amin’ny faran’ny volana fa lany amin’ny fisotoana isan’andro.

– Ao izay jerena toa bilangina sy malandilandy ny tarehy ary mihevitra fa tsy misy toa azy.

-Ao ny nisara-panambadiana satria tsy zakan’ny iray intsony rehefa mamo lava ao an-trano.

-Ao ny manao ny divay ho namana mba hamonona eritreritra.

-Ao ny reny na dia efa bevohoka aza dia misotro ihany. Tsy fantany fa mahamamo ny zaza ao an-kibony izany.

-Ao ireo izay lasan’ny olona ny taniny satria ringan’ny fisotrona .

Mivavaha ho an’ireny rehetra ireny. Inona no mahatonga azy toa izao? Inona no atao ho an’izay tena voa mafy?  Tsy mitondra ho aiza ny fanomezan-tsiny fa mivavaha mangina . Tsy ho an’izay faly ihany no hivavahana fa ho an’izay resin’ny zavatra maro.