TOMPO ô rahoviana ny olombelona vao hitsahatra ny hitsara sy hanameloka Anao.

Mamelà heloka fa be fitiavana Ianao. Hazavao ny fo sy ny saina ary ny fanahy mba hahatakatra ny

Famonjenao anay tsirairay avy.

Hampianaro hatoky Anao izahy

Dia izahay izay tahaka ny vovon-tany. Ary raha tsy ny fofon’ainao dia tsy ho velona tahak’izao akory izahay.

Amin’izao Alakamisy Masina izao izay fahatsiarovana fotoan’ny niarahanao tamin’ny mpianatra misakafo nizaranao ny mofo toy ny nofo, ary ny divay toy ny ra, dia misaotra anao izahay noho ny nanoloranao ny tenanao mba ho fanavotana anay.

Miaraka amin’ny Kristiana rehetra eran-tany mahatsiaro izany dia mametraka ny tany misy ady sy korontana eo amban’ny fahasoavanao izahay. Ampio Tompo izay maratra. Tsinjovy ny kamboty.

Manomeza olona marobe hitondra fanampiana ho an’izay osa sy reraka, ary omeo fo feno fitiavana hahazoanay manantanteraka ny asa.

Androany izahay dia mivavaka ho azy ireo, ho an’ ny faritra Atsimo any Madagasikara izay ao anatin’ny hanohanana,ho an’i Algérie, Lybie, Maroc, Tunisie, ary Seychelles, Île Maurice, La Réunion .

Amena