Marka 11 : 1-11

Tantara fohy. Toa heverina tsy manan-danja . Mpianatra roa (mba hisin’ny vavolombelona) no nirahin’i Jesoa haka zana-boriky. Nahoana no tsy soavaly matanjaka no nalainy hahitany ny rehetra. Nahoana  koa no tsy carpetra mena mamiratra  no nandehanany fa ravin-kazo izay mety hamingana.  Hiditra ao Jerosalema no tanjony. Toeram-pivavahana sy tanana  malaza indrindra tamin’ny fanorenana ny Tempoly. Malaza mandrak’ankehitriny. Toerana halehan’ny maro avy amin’ny tany samihafa hivavaka sy hankalazana an’Andriamanitra.  Araka ny finoana dia toerana hihaonan’ Andriamanitra sy ny olombelona. Ary koa ny olona samy olona.

Zana-boriky aloha no nahamaika ny Tompo. Tsy mbola nisy nampiasa.Ny olona rehefa mahita boriky dia somary maneso satria biby toa heverina ho medameda. Nefa rehefa dinihina dia misy antony ny fandehany milantolanto. Tsy rotitra fa maka fotoana tsara. Izay mipetraka eo amboniny dia tsy mihedinedina fa afaka  manatrika tsara ny hafa. Fahiny dia nanana ny toerany ny boriky satria na  ny mpanjaka na ny mpitondra fivavahana dia samy nampiasa azy ireny. Araka ny tantara samihafa dia milamina sy manana fahanginana ny boriky. Any ka nolazaina fa biby mampianatra ny hihaino noho ny amin’ireo sofiny roa izay mitsangana tsara. Ao anatin’ny fahanginana no mandaitra tsara ny fihainona. Amin’ny tany sasany misy ireo ankizy tany am-pianarana nasaina nitondra  ny “bonnet d’âne”. Tsy natao hanesona azy fa natao hampianatra azy hihaino.

Ny zanaboriky eto amin’i Marka dia azo lazaina koa fa mitondra ilay tsy mety maty nefa ho faty. Io biby io ihany koa no nitondra an’i Jesoa nitsaoka tany Ejypta. Efa manakaiky ny farany izao fotoana hiainan’i Jesoa izao. Ho avy ny fahafatesana ary mandalo ao Jerosalema aloha. Na dia ao aza ny maha-zava dehibe io toerana io. Ilay Jerosalema ao anatin’ny fo sy saina no ifantohany. Ho tsarovana fa teo Golgota izy no maty teo ambony hazofijalina. Toerana misy jaridainan’ireo hazo oliva. Tao no nalevina ary teo koa no nitsangana tamin’ny maty.

Andro lehibe io fiakaran’i Jesoa ho any Jerosalema io. Mihikika ny olona. Hika feno firavoravona. Faly mankalaza izao andro fandalovan’i Jesoa izao.  Nefa koa andro hihatombohon’ny fangirifirin’i Jesoa . Hoy izy any amin’ny filazantsara hafa :“Tanteraka ny zavatra rehetra”.Ny filantolanton’ny boriky eny am-pandehanana dia mahatonga hihaino ny feon’ny vahoaka.Tsy hika feno ranomaso na alahelo. Fa fifaliana. Satria taratra fa  misy zava-baovao. Tahaka ilay hika voalohan’ny  olombelona  rehefa teraka izy. Manomboka eto dia hitsiry miandalana ny fiovana ao anaty. Satria tafahoana amin’ny Tompo. Tsy azo hafenina ka miantso mafy hoe “Hosanna”.

Tsy nijanona eo fa nitohy ary lasa fitenin’ny maro  avy eo ka nanao hoe “Isaorana anie izay avy amin’anaran’ny Tompo Andriamanitra “. Niafara tamin’ny firehondrehon’ny hira hoe “ Ho tahiana anie ny fanjaka izay avy, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny Avo indrindra “ Ao aoriana kely dia tonga ny fahanginana. Mihaino koa ny Tompo eny ambon’ny boriky. Fahanginana koa ny an’Andriamanitra. Tsy hika hitondra fandratrana na famporisihina amin’ny ady. Fa feo mahery iraisana  hanavao ny tsirairay. Mba hahatonga fahateraham-baovao.  Ao anatin’ny fahanginana no handrenesan’ny olona ny Teny hahatonga azy ho olom-baovao.Teraka ao am-pon’ny olona ny Teny. Hika feno fanantenana ny amin’ny ho avy hitondra fanavaozana. Hamaha ny amin’ny fatotra sy ny ziogan’ny fanambotrena, ny fahantrana sy ny fanadevozana. Hika milaza fahateraham-baovao voalohany  ao am-pon’ny olona tsirairay. Manafaka satria mampitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Andriamanitra.Tsy hitolefika izay mandray ny Teny. Tsy fandrebirebena  akory na dia 1er avril aza androany.  Fa maka fotoana ny Tompo hihaino anao mandrakariva.