TOMPO ô, misaotra anao aho raha mbola afaka misokatra ny vavako ka miantso ny anaranao noho ity andro ity. Mibaliaka indray ny masoandro ary misinda tsikelikely ny ririnina. Mitsiry koa ny fanantenana ao anatin’ny fo sy ny saina ary ny fanahy. Zava-boahary miavaka amin’ny zava-boahary izahay olombelona. Tompo Andriamanitra ô, tsy voatanisa ny olombelona niaina teto amin’izao tontolo izao . Eny fa na dia izay velona amin’izao andro ankehitriny izao fotsiny aza. Eny, fantatrao amin’ny anarany avy ny isam-batan’olona ary manana ny toerany eo anatrehanao.. Tsy misy hadinonao na dia iray aza, satria Ianao Andriamanitra ô, no namorona ny tsirairay, sy nanome aina mahavelona azy ireo. Zava-dehibe izany ary tsy hain’ny olombelona afa tsy Ianao irery ihany. Nefa dia hadinonay indraindray fa eo anilanay mandrakariva Ianao.

Mivavaka Aminao Izahay, arovy amin’ny ratsy ny tsirairay, ary omeo saina sy fo feno ny Fahendrenao sy ny Fitiavanao.

Tompo ô. Mivavaka Aminao koa izahay ho an’ireo mpianatra katekomena rehetra eran-tany. Rehefa tonga ny fotoana handraisana azy ireo ho mpiray latabatra Aminao, dia fantatrao amin’ny anarany avy izy ireo ary dia isaoranay manokana Anao izany Tompo ô.

Mivavaka ho an’ireo izay voantso hampianantra azy ireo koa izahay, mba ho ny Teninao no hampitan’izy ireo ka ho voninahitrao ny zavatra rehetra . Misaotra indrindra Tompo ô noho ny fanampiana ataonao aminay isan’andro. Tompo ô, mivavaka ho an’i Madagasikara izahay. Tsy ho voatoninay ny anaran’ny olona ao fa Ianao no mahalala azy rehetra.

Mivavaka manokana ho an’y faritr’ Antsiranana izahay. Ary manakambana ny vavakay amin’ireo kristiana any Andorre, Autriche, Liechenstein, Monaco sy Saint-Martin ary Suisse. Misaotra Tompo. Amena.

Tsodrano :

 » Andriamanitra hiaro anao tahaka ny anakandrian-maso. Hanafina anao ao ambanin’ny elany Izy.  » Salamo 17:8