Jaona 4: 16- 42

Vehivavy samaritana iray no nitenenan’i Jesoa io teny io hoe “antsoy ivadinao ka mankanesa aty”.

Raha ny izy dia tsy tokony hifampiresaka akory rizareo. Satria ny jiosy tsy nifankahazo tamin’ny samaritana. Fa saingy Jesoa tratran’ny fahasasarana sy ny hafanana dia nijanona teo amin’ny fatsakan’i Jakoba. Nitady rano ho sotroina ary nifanena tamin’ity vehivavy ity Izy. Tsy fomba fanao ny mifampiresaka  lehilahy sy vehivavy irery  satria maro no mihevitra izany ho ratsy eo amin’ny fitondran-tena sy ny fiaraha-monina.

Nandeha ny resak’izy ireto. Tamin’ny voalohany dia Jesoa no nangataka rano ho sotroina. Kanefa dia ity vehivavy no nangataka rano avy eo. Satria nitsiriritra mafy ilay rano izay tsy hampangetaheta intsony izy. Izay antenainy fa omen’i Jesoa azy. Saingy ho valin’izany dia nahavariana ny teny natao taminy : “antsoy ivadinao ka mankanesa aty”. Inona no idiran’ny vady amin’ny hetaheta hisotro rano? Nilaza izy fa tsy manambady. Ary nolazain’i Jesoa fa marina izany, nefa efa nanambady indimy ianao hoy Izy. Gaga ilay vehivavy. Satria na dia ilay ao amin’izao fotoana izao aza tsy vadinao. Tsy nampoizina izany teny izany. Ahoana moa no hahalalan’ity lehilahy ity izay any an-tokatranon’ny olona any? Nilaza ilay ravehivavy hoe : “Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao”.

Ny mahazatra antsika dia ny hoe : Ratsy tokoa ny toetran’ity vehivavy ity. Ka tsy tokony niresaka tamin’i Jesoa tokoa izy. Io no  ohatra eto. Tsara ho saintsainina.

Fa iza moa ireto vady maro efa niara-nitoetra tamin’ity vehivavy ity.Ny fanambadiana na dia misy aza izay tsy mampaharitra izany ka miafara amin’ny fisarahana dia nisy fotoana izay tena nitiavana ilay vady. Natokisana azy. Miara-manapakevitra amin’ny fitondrana ny tokatrano. Tsy misy zavatra atao an-kinafinafina. Na izany aza no tanjona dia tonga ny fiovana niteraka olana samihafa ka voatery nifandao. Misy ny tsy nanambady intsony. Misy izay mbola nanambady ihany. Ao ny mandeha misoratra ara-mpanjakana. Ao ny  miara-mitoetra fotsiny ary raha misy ny fisarahana dia heverina ho mora kokoa ny fanatanterahana izany. Mba tsy ho lany andro amin’ny fivezivezena eny amin’ny Fitsarana.

Fa misy karazana vady izay hadinontsika indrindra ny mpivavaka. . Azo lazaina fa ny vady eto dia ireo izay andrianin’ny fo ary   toy ny andriamanitra. Ireo aloha vao mandeha ny zavatra hafa . Mahatezitra raha sendra voakasiky ny hafa. Santionany ihany no ho lazaina.

Ao ny fanaovana ny vola ho andriamanitra ka na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona no hahazona  izany dia tsy misy mahasakana. Ao ny mirehareha fa raha tsy izy noho io vola io dia tsy velona ny fiangonana. Ary mihevitra fa tompon’ny fiangonana aza. Hafa-po ve ?

Ao ny fananana fiarakodia tena lafo ka hampiderana amin’ny rehetra fa izy no tena zavatra ary tsy misy toa azy. Izay no mameno ny fo sy sainy mandritra ny andro raha vao tsy manao zavatra hafa. Misy aza ireo mitsikilo kely eo am-baravarakely mijery ilay fiara sao… Toy ny andriamanitra ary mahavatra ny miresaka aminy aza. Misy ireo manana dimy enina ary dia misolosolo hono ê. Nanome fiadanam-po ve ?

Ao ny tsy matory fa manorina trano mihedinedina ka hisehosehona. Mihevitra fa tsy misy toa izay. Mihevitra ny tenany fa tokony hitanondrika eo aminy ny hafa. Ampy ve izay no hafa-po ?

Ao ireo manenjika filokana isakarazany  mba hana-karena. Ao ny lasa nanakarena tokoa ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy noho ny filokana nefa tsy afa-po fa mbola mitady ny an’ny hafa ihany.

Maro ireo ohatra hafa azo lazaina fa naka ny toeran’Andriamanitra ka lasa andriamanitra ao am-pon’ny olona. Ka dia mandeha any am-piangonana rehefa alahady hampisehona ny olona fa mivavaka.

Mampalahelo fa na dia ny fiangonana aza tratran’izany.Ny fiangonana eto dia ny kristiana. Maro ny fiangonantsika izay mizarazara ary milaza fa toy ny azy ihany no marina.

Tsy mahagaga ny fahitana fiangonana miorina atsy sy aroa. Raha vao tsy misy fitovian-kevitra dia manorina fiangonana hafa. Fa tsy mieritreritra hoe: “Fa iza moa no lohany :Jesoa Kristy sa ny hevitro izay tiako hampidirina ao amin’ny mpiangona?” Ilaina ny fifanakalozan-kevitra natao hampandrosoana fa tsy natao ho fisarahana. Iza io Fanahy Masina manaiky izany fa toa diso làlana ka mahatonga fizarazarana. Misy ny manararaotra ny fandeferan’ny sasany ka mihevitra koa fa azy ny fiangonana ary tsy maintsy arahina ny teniny. Iza io andriamanitra nanoro azy izany ?

Izany rehetra izany dia mampiseho fa tsy hafa-po tamin’ny rano izay nosotroiny. Tsy ilay rano velona no nosotroiny dia ny Tenin’Andriamanitra fa rano tsotra ihany. Hany ka mangetaheta lava. Hany ka manorina fiangonana atsy sy aroa ary na ny fianakaviana aza dia tsy mifampiteny satria samy manenjana ny azy. Toa ny fiangonana indray no mibaiko an’Andriamanitra.

Ao koa ny mpitarika izay manararaotra ny fahalemena sy ny fahantran’ny sasany ka manao izay tiany atao. Indrisy tsy hahita fahafaham-po. Izy no naka ny toeran’Andriamanitra.

Hoy ilay hira nosoratan’i R. Baron (Ry Raiko feno antra) ao amin’ny fihirana iombonana hoe :

Nivezivezy aho.                                             Mamitaka mihitsy

Nikaro zava tsoa .                                          Izao tontolo izao

Izay rehetra hita                                             Ny mamy dia mangidy

Nadramana avokoa                                         Izay tena soa tsy ao

Nandany taona maro.                                     Koa aza mba adalainy

Nanaran-tsitrapo.                                           Intsony re ry fo

Kanefa tsy nahazo                                          Andeha mba ho Hendry

Izay mahafa-po                                              Hatramin’ny an’io.

Izay no irariana ka hisotro ilay rano velona ary tsy hangetaheta intsony. Ka hiverina amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy. Ho an’izay mitory ny Filazantsara: mampitandrina ny Teny fa rano mahavelona no omena .Iray ihany no Andriamanitra manome izany ka tadiavo Izy toy ilay vehivavy samaritana afa-po ka nanambara izany tamin’ny mponina nanodidina azy.

Ilay vehivavy samaritana tsy nanana anarana noho izany dia mikasika ny lehilahy koa izay nahazo azy. Antsoy andriamanitrao ka mankanesa amin’ny Tompo hisotro ny rano velona. Izao fotoanan’ny karemy hisaintsaina izany rehetra izany.

Homba anao ny Tompo.