ANDRIAMANITRA ô ! Marobe ny zavatra tianay hangatahinay. Fa anio dia te hiresaka Aminao manokana ny fahalemenay izahay. Malemy satria miroaroa saina ka tsy tsaroanay fa miaraka aminay mandrakariva Hianao. Ary misy fotoana aza miodina Aminao izahay.

Mivavaka Aminao izahay, amboary ny fiainanay, ny sainay, ny vatanay, ny fanahinay, ny herinay. Matoky anao izahay satria Hianao no mpampianatra mahay manoro ny zavatra tsy takatray olombelona. Hianao no mahay manarina ny fiainany. Ianao no mametraka ny teny ao am-bavanay. Anao ny fahefana rehetra.

Arovy ny olonao mba tsy hatahotra ny hijoro ho vavolombelonao. Arovy amin’ny fisarasarahana hateraky ny fialonana sy ny namany izahay. Diovy ny sainay hahazonay mandray Anao ary hitoetra ao am-ponay.

Mivavaka ho an’ny tany manontolo izahay ary singaninay manokana eto Grande Bretagne sy Irlande. Amena