Hivavaka isika :

–         ho an’ny vehivavy rehetra eran-tany. Ao anatin’izany ireo izay olom-pirenena ka manana andraikitra  eo amin’ny ambaratongam-pahefana samihafa. Hahay hangataka fahendrena sy hanatanteraka ny marina. Hanompo ny firenena fa tsy ho tompoin’ny vahoaka ka hitady voninahitra.

–         Ho an’ireo vehivavy mitory ny filazantsara. Handinika sy hamakafaka  lalina amin’ny alalan’ny fitaovana maro ny tenin’ny Soratra Masina fa tsy handika izany araka izay tiana ho lazaina. Hahay hampianatra sy hampijoro ary hampahery izay mihaino azy. Hiteny madio sy mamy .Ho Jesoa Kristy no lohany fa tsy ny heviny akory.

–         Ho an’ireo vehivavy rehetra salama ara-batana ary ao anatin’ny fiadanana sy fahasambarana. Hahay hanampy izay mangataka fanampina. Ho tsaroany mandrakariva fa matoa soa ny fiainana dia tsy avy aminy izany fa avy amin’ny Tompo Andriamanitra. Ho tsotra fa tsy hirehareha be fahatany.

–         Ho an’ireo vehivavy ao anatin’ny aretina. Manahy ny ampitso satria mafy ny aretina ary tsy hantenaina fahasitranana.  Indrindra ireo izay miady amin’ny homamiadana ka feno fanaintainana.Ho tsaroana koa ireo izay mikarakara azy ireny.

–         Ho an’ireo vehivavy manano-tena. Nisaraka tamin’ny olo-tiana. Vokatry ny tsy fifanarahana intsony nateraky ny fahafatesan’ny fitiavana. Ao koa tsy fisiana sy ny fahantrana ka nifanome tsiny be ihany. Ao koa ny tsy fitovizan-kevitra ka nanalavitra ny fianakavian’ny lahy na ny vavy. Ao koa ny fivezivzena noho ny asa aman-draharaha. Ao koa ny fitsiriritana. Ao koa ny te hihetrakatraka ka tsy afaka misaina na mandefitra. Ao koa ny lolom-po sy ny fialonana. Ao koa ny fanafintohinana maro ka tsy zaka intsony.Ao koa ny fandrebireben’ny hafa ka lasa nanaraka olo-kafa .Ary antony maro samihafa izay ianao ihany no mahalala azy.

–         Ho an’ireo vehivavy nitsaoka ny fianakaviany noho ny havesatry ny adidy na fampijaliana mety nitranga tao an-tokatrano.

–         Ho an’ireo vehivavy any amponja : ireo nanao heloka bevava, na nangalatra, na nanao ota tsy nahy. Na nigadra noho ny toroky ny olona.

–         Ho an’ireo vehivavy tsy te- ho velona intsony satria tsy mahita fifaliana na  mihevetra fa mihodina aminy ny olona sy  izao rehetra izao. Tsy fidiny azy izany fa toy ny aretina.

–         Ho an’ireo vehivavy nampijliana ka noratraina. Ao ny mitondra takaitra mandrapahafaty satria naratra ny tena. Ao  ny naholana satria misy ireo mihevitra fa inona koa izay vehivavy. Na dia ny zazavavy tsy ampy taona aza dia voa an’izany.

–         Ho an’ireo vehivavy maty zanaka, ho an’ireo izay afa-zaza.

–         Ho an’ireo izay nanala-zaza noho ny antony tsy takatry ny saintsika.

–         Ho an’ireo vehivavy manapikasana hanao ratsy. Ny Fanahy Masina hanaisotra izany fikasana tsy mendrika izany.

–         Ho an’ireo zazavavy kely teraka androany irina ho tonga soa eto an-tany. Ka ho vehivavy lehibe ho reharehan’ny rehetra sy ny firenena any aoriana.

Irina ho taratra amin’ny fihetsika sy ny teny ny maha-hendry  ny vehivavy Malagasy ka ho hajaina sy hankatoavina izy .Hahay hifandray amin’ny manodidina na ny any lavitra na  ny akaiky sy ny hafa.

Irina koa ny hanao zava-dehibe ny fitaizana ny taranaka mifandimby ka hiharina ny firenena.

Hivavaka tsy ho an’ny vehivavy Malagasy ihany, fa ho an’ny rehetra na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana.

Andriamanitra hameno fifaliana ny fonao .Amena