1/03 > Efesiana 3: 12

Kristy Jesosy no hananatsika fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy

2/03   > Efesiana 3 : 14-(15)- 16

Ary izany no andohalehiko amin’ny Ray , hoy Paoly, … mba hanomezany anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahana fatratra  amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo.

3/03  > Efesiana 4 : 1-2

Mangataka aminareo aho, mba handehananareo miendrika ny fiantsoana izay niantsona anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemen-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.

4/03 > Efesiana 4 : 21

Kristy tokoa no renareo, ka tao aminy no nampianarana anareo.

5/03  > Efesiana 4 : 22-23

Hialaho ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenananreo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka. Fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo.

6/03 > Efesiana 4 : 24

Mba hotafinareo ny toetra vaovao, Izay noforonina araka ny an’Andriamanitra amin’ny fahitsina sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.

7/03 > Efesiana  4 : 25

Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra. fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namatsika avokoa isika

8/03 > Efesiana 4 : 26

Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.

9/03 > Efesiana 4 :  27

Aza manome  fitoerana ho an’ny devoly ( fisaratsarahana)

10/03 > Efesiana 4 : 28

Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina  ka hiasa izay tsara amin’ny tànany mba hisy omeny izay tsy manana.

11/03 > Efesiana 4 : 29

Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazon’ny mihaino ny fahasoavana.

12/03 > Efesiana 4: 30

Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombon-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.

13/03 > Efesiana 4 : 31

Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolom-po rehetra.

14/03 > Efesiana 4 : 32

Ary aoka samy halemy fanahy amin’ny amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka. Tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.