« Moa ve tsy holazaiko, Moa ve tsy hotantaraiko,

FA velona Jesosy, Tantara tena soa,

Maty mba hisolo, hitondra ny heloko,

Kanefa izao dia izaho indray no nandresy,

Fa velona ny Tompo !

Hobio, Hobio, Vaovao Mahafaly re,

Torio, Lazao, eny ambarao

Jesosy Velona.

Ireo otako rehetra, voavelany tokoa

Ny vesany izay nanindry, nesoriny avokoa,

Ny diako isan’andro, dia tantanany tokoa,

Ireo zava-mampahory, dia reseny avokoa

Raha sendra kivy aho, ka reraka ny fo

Dia bitsihiny mangina, fa velona Jesosy !

Hobio, Hobio, Vaovao mahafaly re !

Torio, Lazao, eny ambarao

Jesosy Velona

Velona ao am-po. »

Izany tonon-kiran’ny Mpihira iray fanta-daza loatra any amintsika izany no tiako itondrana ny eritreritra sy ny saintsika amin’izao fakalazantsika ny andro Paska 2003 izao.

Nahatsiaro isika, eny niezaka nahatsiaro ilay fotoana nizakan’i Jesosy ny mafy indrindra eto amin’ity fiainana ity : ny nijaliany sy ny nahafatesany, ary ny finoana fa velona, nitsangana tamin’ny maty Izy.

Ho tokiko sy tokinao ny Teniny milaza fa efa hamboatra fitoerana ho antsika Izy ; izany no mahatonga antsika hilaza hoe : « …mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty aho ».

Velona Jesosy, efa resiny ny fahafatesana, koa hobio, eny ambarao fa izany no Vaovao Mahafaly.

Raha mandalo fitsapana izao fiainantsika izao dia izao no tsarovy  :Apetraho eo ampelatanany – eo anoloany – izany fa izy hanome anao fitsaharana.

Na maty aho na velona dia ao amin’i Kristy Jesosy ary ny Paska ho fiainam-baovao …

Dimbisoa RATOVONARIVO