ROA volana izay Tompo no nandiavanay ity taona ity. Isa-maraina aho dia mihevitra fa hibalika hatrany ny andro. Eny, miposaka tokoa ny masoandro, ary feno fanantenana ny mpanomponao. Saingy injay rehefa mahare ny vaovao amin’ny radio sy ny fahita lavitra aho dia hitako manjombona ny andro. Re fa atsy sy aroa dia mbola betsaka ny tsy manako-hanina. Ary dia mbola mitohy ny ady ary ny aretina dia manampy totraka. Ary dia mivavaka ho an’ireny tany ireny izahay.

Mivavaka ho an’ny tany hay, mba hisin’ ny orana , ka ny mpamboly hahavokatra be amin’ny tany kolokoloiny isan’andro. Ny lehilahy afaka hiasa ny tany mora foana, sy afaka hamafy voa isakarazany. Ny zaza amam-behivavy hioty ny vokatra any aoriana. Ny biby fiompy hahita izay manandrinfy azy. Ny voro-manidina hanana ny toerana hipetrahany. Ny hazadrano hivezivezy sy hamokatra ao anaty rano. Ny rano fisotro hangarangarana.

Mivavaka ho an’ireo izay any ambanin-vohitra. Tsy mahalala akory izay mitranga eto amin’izao tontolo izao. Fa dia mahatoky ny fitondran’Andriamanitra ao am-tampon’ny loha. Mahatsiaro azy ireny izahay Enga anie ka omenao azy ireny koa ny fiadanana, satria akaiky azy koa Ianao Andriamanitra ô.

Mivavaka aminao koa izahay ho an’ireo mpitsabo na inona na inona fahaizany. Ho tsarony fa Ianao no tompon’ny aina. Ary fiasana eo am-pelatananao izy ireny. Hianao no nanome toe-batana salama, sy saina maranitra nahazony nahatanteraka ny fianarana ka hizorany ho amin’ny faritry ny fitsaboana. Ka izay mahantra dia ho tsinjovin’izy ireo koa.

Misaotra anao Tompo ô noho ny fitiavanao. Noho Ianao mampahery anay lalandava na dia kivy aza indraindray. Mino sy manantena izahay fa miasa ao am-pon’ny tsirairay avy Ianao. Hazavao sy atoroy lalana ny mpitondra firenena mba hisin’ny fandriam-pahalemana.

Mivavaka ho an’ny tany rehetra izahay ary mahatsiaro manokana an’i Danemark,Finlande, Islande, Norvège, Suède. Mamindra fo aminay, mamelà heloka, misaotra Andriamanitra ô.