1/01  >  Marka 1 :11
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe “ Ianao no Zanako malalako, Ianao no sitrako.”
2/01 >  Marka 1 :17,18
Hoy Jesosy tamin’i Simona sy Andrea: “ Andeha hanaraka Ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo.
Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.
3/01  >  Marka 1 : 24
Hoy ilay lehilahy nitoeran’ny fanahy maloto : “Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta ? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa ilay Masin’Andriamanitra Ianao.”
4/01  >  Marka 1 : 41
Ary Jesosy dia onena azy ka nainjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe : “ Mety Aho; madiova ianao”
5/01  >  Marka 2 : 5
Hoy Jesosy “ Anaka voavela ny helokao”
6/01 > Marka 2 : 14
Hoy Jesosy tamin’I Levy “ Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy”
6/01 >  Marka 2: 27
“ Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata”

7/01  >  Genesisy 11 : 1

Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny

8/01 > Genesisy 11: 4

Hoy ny olona  » Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika.

9/01  > Genesisy 11 : 9

Ny anarana hoe Babela : fanakororohana ny fitenin’ny tany rehetra. Ary tao no nampielezan’ny Tompo Andriamanitra ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra

10/01  > Genesisy 11 : 10 – 26

Ny taranak’i Sema mandrapahatonga eo amin’ny rain’i Abrahama.

Efa 100 taona i Sema vao niteraka ny zanany voalohany : Arpaksada.

Mbola niaina 500 taona i Sema vao maty.

Tera kosa no anaran-drain’i Abrahama . Ary ny rahalahiny dia Nahora sy Harana

11/01  > Genesisy  11: 32

Niaina 205 taona  kosa i Tera vao maty .

12/01 > Genesisy 12 : 1

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrama :  » Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hakany amin’ny tany izay hasehoko anao »

13/01  > Genesisy 12 : 18

Hoy Farao tamin’i Abrama :  » Inona izao nataonao tamiko izao. Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao Sara » ? ( Inona no nahatonga izany ? )

14/01 >Genesisy 13

Nisaraka i Abrama sy Lota (zafin’i Tera)-

and 11: Lota nifidy ny tany rehetra amoron’i Jordana ka nifindra niantsinanana- ary tonga hatrany Sodoma.

and 12: Abrama kosa  nonina tao amin’ny tany Kanana.

15/01 > Genesisy 13 : 18

Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazon’ny terebintan’i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’Andriamaniny izy.

16/01 > Genesisy 14 : 12

Nisy fanafihana tao Sodoma ary dia lasa babo i Lota.

17 / 01 > Genesisy 15 : 5

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrama :  » jereo ange, ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Andriamanitra : « Ho tahaka izany ny taranakao »

18/ 01 > Genesisy 16

and 13 :Hagara niteny tamin’Andriamanitra hoe : « Ianao no Andriamanitra Izay mahita… » ( Hagara dia vady faharoan’i Abrama)

and 16 : Hagara niteraka an’Ismaela tamin’i Abrama

19/01  > Genesisy 17 : 5

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrama:  » Ny anaranao dia tsy atao intsony Abrama, fa atao hoe kosa  » Abrahama » satria efa nataoko ho rain’ny firenena maro ianao.

20 / 01 > Genesisy 17 / 15

Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama : Ny amin’i Saray vadinao, dia tsy mba ataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no anarany.

21 / 01  > Genesisy 18 : 14

Fa moa tsy misy  zavatra mahagaga izay tsy hain’ny Tompo Andriamanitra va ?

22 / 01 > Marka 1 : 17-18

Ary hoy Jesosy tamin’izy efa-dahy: « Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo ».

Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka azy.

23 / 01 > Genesisy 18 : 20 – 21

Hoy ny Tompo Andriamanitra :  » Ny fitarainan’i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra. Hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga ety amiko, na tsia; ary raha tsy ho izany dia fantaro.

24 / 01 > Genesisy 18 : 32

Hoy Abrahama : Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho. Angamba misy folo marina ao. Hoy Andriamanitra  » Tsy mba handringana Aho noho ny folo ».