Filazantsara telo milaza amin’ny fomba samihafa ny fahaterahan’i Jesosy.

>>> Ao amin’I Matio: Nofy no nampahafantarana fa mitoe-jaza i Maria. Lalina izany.

Matio 1 :

18 Ary ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao : rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy amin’ny Fanahy Masina izy. 19. Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa,  zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao ; fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany ataonao hoe : Jesosy ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. 22. Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe « : Indro ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela (Isaia7 :14), izany hoe : raha adika «  Amintsika Andriamanitra » 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony, dia nanao araka izay nadidian’ny anjelin’ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny.25 Ary tsy nahalala azy izy mandrapiterany Zazalahy ; ary ny anarany nataony hoe : JESOSY

>>>Ao amin’I Marka tsy nisy filazana  ny fahaterahan’i Jesosy fa tonga dia ny fiandohan’ny asany.

Marka 1:1

Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Araka izay voasoratra ao amin’i Isaia mpaminany ….

>>> Eto amin’ny Lioka dia ny anjely no nanambara ny hahaterahan’I Jesosy

Lioka 1

26: Ary tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, 27 ho any amin’ny virjina anankiray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe : Josefa avy tamin’ny taranak’i Davida; ary ny anaran’ny virjina dia Maria. 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe:  Arahaba ry ilay nohasoavina , ny Tompo momba anao. 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.

30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao.  31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia ataonao hoe : Jesosy….

35 Ilay anjely nanao hoe “ Ny Fanahy Masina tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay haterakao dia atao hoe  Zanak’Andriamanitra. ….

Lioka 2

Ary tamin’izany andro izany dia nisy didy navoakn’i Aogosto Kaisara hampanoratara ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany.  2(Izany no fanoratanana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria). 3 Dia samy nankany amin’ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.

4.Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hakany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe : Betlehema (satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny mpanakaviany), 5 mba ho soratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.

6 Ary raha nitoetra teo izy dia tonga ny andro hahavelomany.  7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamba-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.