TOMPO ô, hay ho ahy !

Sy fanavotanao fanahy

No mba nahatongavanao

Tamin’izao toniolo izao,

Ka na ny voninahitrao,

Na izay rehetra anananao,

Na ny lapanao aza

Sy ny hafa tsy voalaza

Dia nafoinao ho ahy

Izay nahantra sy manahy.

Menatra aho mandinika, eny

Fa ho ahy izay mpanjeny,

No mba nanoloranao

Ny tena sy ny ainao.

Ka ilay vokovoko aza,

Dia milaza sy mitory,

Fa ho ahy tsy sahaza

Sy tsy mendrika akory

No niaretanao

Izany fahoriana tao

. Dia mbola ho ahy ihany

Sy nohony adalana

No netezanao hatrany

Hiaritra ny fahantrana.

Noho izany indrindra Tompo

No hangatahiko, mpanompo,

Mba ahazoako mahatsiaro

Hanome tsy mifangaro,

Ho Anao tsy misy feira,

Izany tenako rehetra.

Amena