Isaia 40 : 1-11

Tao anatin’ny fahakivina tanteraka ny firenen’Andriamanitra.Tsy nitsahatra nanenjika azy ny fahavalony. Namono nahafaty aza. Jerosalema renivohitra aza dia tandindinon-doza isan-andro.

Tsy nanana fanantenana intsony ny mponina. Ny mpaminany sandoka nilaza izay tiany lazaina. Nanampy trotraka ny fahoriana . Maro no nitaraina sy nihikika.  Very. Very izahay hoy ny olona. Feno tahotra ny fony.

Saingy hadinon’ny olona fa tao ilay Andriamnitra tsy hita maso. Mahare sy mahita ny zava-mitranga eran-tany.

Naniraka  mpaminany iray hitsangana tao anatin’ny aizina izy : Isaia. Hitondra teny tsy mahazatra ny sofina: “Ampionony, ampionony ny oloko”.

Eo anivon’i Jerosalema, tanàna fongotra izy no asain’Andriamanitra miteny. Eo amin’izay misy ny fahoriana lalina indrindra no tsy maintsy miteny Isaia. Asa na iza no hahare izay ho lazainy.

Sarotra ny miteny amin’olona izay voadona mafy: tsy ara-batana ihany, fa ara-tsaina sy ara-panahy koa. Ahoana moa no hinoana fa mbola ho tafarina ny olona toa izany. Raha ny izy dia tokony hihaino izay mijaly sy fadiranovana aloha.  Izay no tokony ho asan’ny mpaminany. Izay no maha sarotra ny asany. Tsy manana fitaovam-piadina izy hitondrana fahafahana. Fiteny tahaka ny olombelona ihany no hampiasainy.Teny izay noraisiny tamin’Andriamanitra. Tsy afaka mihemotra  eo anatrehan’ny asa izay nanirahina azy. Tsy afaka miteny hoe : sarotra ary tsy ho vita izany. Satria ny Tompo Andriamanitra no naniraka azy.

Hoy Andriamanitra : “Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema ka lazao aminy fa vita ny adiny. Sady voavela ny helony. Ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’Andriamanitra izy ho valin’ny fahoriana rehetra nataony

Ilay tanàna  nohitsahan’ny fahavalo sy  nihondrika teo anatrehan’ny sampy dia voavotra. Nomena azy ny famelan-keloka. Na dia tao aza ny faharatsian’ny mponina tao  dia hovonjena ity tanàna ity.Tsy ho avelan’Andriamanitra hilofika. Izy  mihitsy no hanatona azy. Nandray nihoatra noho izay tokony ho izy aza.Vokatr’izany dia hisy fivoarana lehibe . Ny lohasaha hasandratra, ny tendrombohitra sy ny havoana haetry. Hiova ny fiainan’ny olona sy ny fifandraisany.

Nasaina namafisin’Isaia fa ny “Tenin’Andriamanintsika dia haharitra mandrakizay”. Tsy azo afenina izany.

Tonga ny fotoana ho an’ny firenen’Andriamanitra handrenesana ny vaovao mahafaly. -Fanavotana.-Famelan-keloka .-Fampihavanana azy amin’Andriamanitra. Inona no ilain’ny olona  mihoatra izany?

Tsarovy : Jerosalema in-telo potika. Ny mponina niharan’ny fanenjehana. Nafindra sy nahondra tany amin’ny tany hafa.  Fahoriana lehibe hatrany no nihatra taminy. Saingy ny tenin’ny fanantenana dia tsy nitsahatra niaraka tamin’ireo izay nino izany fa tsy maintsy tonga ny famonjena azy.

Ny zavatra nitranga tamin’ny andron’Isaia tsy vaovao amintsika fa hitantsika amin’ny tany maro izany. Maro ny zavatra mangidy sy mahatsiravina nihatra tamin’ny olona maro. Tsy miafina amintsika. Samy mangoraka. Samy mitomany ho an’ireo izay  mamoy fo. Samy nivavaka ho an’izay nijaly  na kristiana na tsy kristiana.

Mahavariana  fa tsy nitsahatra ny vonon’olona noho ny fifandripahana  hatramin’ny nisin’ny olombelona. Eran-tany izany. Angamba tsy dia fantatra loatra taloha. Nefa dia voarakitra ao anatin’ny bokin’ny tantara izany. Ny Baiboly koa aza dia mitantara betsaka amin’izany. Ankehitriny dia re ao anatin’ny indray mipi-maso ny zavatra mitranga rehetra.  Mitomany tokoa izao tontolo izao. Tsy mahita hiankinana izao tontolo izao. Ny kristiana, na ny mpino tsy afaka handositra  izao tontolo izao. Fa miaina ao anatiny izy ary mahita ny zavatra rehetra. Ao anatin’izany ny faharatsiana mitombo andro aman’alina.Ny herisetra sy ny fandemena manambotry ny mareforefo sy ny mahantra.

Ao anatin’izany ngidin’ny fiainana izany no tsy hanarina toky  fa misy teny mamy mampahery ho avy. Tahaka ny an’i Isaia hoe : Ampionony, ampionony ny oloko. Teny tamin’ny andron’i Isaia. Fa marina koa amin’izao fotoana izao.

Iza no hiteny amin’ireto tra-pahoriana hoe “ Miakara amin’ny tendrombohitra avo ary lazao ny vaovao mahafaly”.Iza no handimby an’Isaia amin’zao fotoan’andro sarotra izao? Tsy azo atao ny mitsara na miteniteny foana. Satria na ny tsy mpino aza mananana izay lazainy ary tena  tsara koa ny teny fampaherezany. Inona ary no mampiavaka ny kristiana aminy ? Inona no azon’ny kristiana atao mihoatra noho izy ireny ? Aiza re ireto  milaza azy ho kristiana ? Miverin-dàlana ny sasany? Mangina  na manaonao foana. Tsy mitondra fifaliana fa izay tiana atao no atao fa tsy ny tenin’Andriamanitra. Efa niala tamin’ny fitiavan’Andriamanitra hatramin’ny ela. Fiangonana na kristiana tsy afaka ampionona ny olona. Fa mila fitsabona sy fanasitranana aza.

Isika izay mbola velona dia ao anatin’ny fahasoavana. Ny fotoanan’ny Andento dia mampahery antsika tsy hirefarefa fa hiezaka hanatontosa izay niantsona antsika. Ilaza ny vaovao mahafaly satria  mijaly izao tontolo izao.Mangirifiry.  Hilaza koa ny kristiana  fa afaka ny enta-mavesatra raha mety ny olona . Afaka manao izany ny tsirairay. Noho ny fiovan’ny fiaraha monina dia miova ny fomba sy fanatanterahana izany. Fa ny teny tsy miova.

Nirahina hilaza teny mamy, teni-pitiavana, teny feno hatsarana ,teny fampionona isika. Tsy an-tery fa ho an’izay mandre sy manaiky ny feon’Andriamanitra. Ny tendrombohitra vaovao hilazana izany dia maro toy ny toera-pilazam- vaovao isakarazany. Saingy ny any an-kodahoda any tsy mbola tratran’ny radio, na telefona, na internet. Mbola mitohy ny fijaliny. Ka iza no hamaly ny antso n’aiza n’aiza misy azy hitondra ny teny fampionona hoe (and 9-10)“ Asandrato mafy ny feonao. Asandrato fa aza matahotra. Lazao hoe: Indro Andriamanitrareo!  Ny sandriny ihany no hanapaka”.