1/11 > 1 Tantara 28 : 20

Ary hoy Davida tamin’i Solomona zanany : Mahereza sy matanjaha ka mahefà ; aza matahotra na mivadi-po ; fa ny Tompo Andriamanitra dia Andriamanitro, no momba anao ; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’ny Tompo Andriamanitra.

2/11 > 1 Tantara 29 : 9

Dia faly avokoa ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo (ny fiangonana), fa tamin’ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’ny Tompo Andriamanitra. Ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.

3/11 > 1 Tantara 29 :  12

Teny fisaorana nataon’i Davida :  … Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, Ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao ; eo an-tànanao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tànanao koa ny mampalehibe sy mampahatanjaka izao rehetra izao…

4/11 > 1 Tantara 29

and : 20Hoy Davida tamin’ny fiangonana : Masina ianareo, misaora ny Tompo Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra ny Tompo, Andriamanitrin’ny razany, sady niondrika sy niankohoka teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra sy ny Mpanjaka.

and:25 : Ary ny Tompo Andriamanitra nanandratra an’i Solomona indrindra teo imason’ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Isiraely.

*********

5/11 > Obadia ( Toko iray ihany ity boky ity)

and: 12– Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany. Ary aza mifaly ny amin’ny taranak’i Joda amin’ny andro andringanana azy.

Ary aza manao teny miavonavona amin’ny andro fahoriana.

and : 13 – Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko amin’ny andro ahitany loza.

Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ny andro ahitany loza ianao.

Ary aza maninji-tànana haka ny fananany amin’ny andro hahitany loza.

and: 14 – Aza mamitsaka eo amin’ny sampanan-dàlana hamono izay afa mandositra ianao. Ary aza manolotra izay sisa aminy amin’ny andro fahoriana .

*********

6/11 > Salamo 115 : 2 – Nahoana ny jentilisa no manao hoe : Aiza izay Andriamaniny ?

**********

7/11 > Jona 1

and: 6 –  Hoy ny kapitenin-tsambo mantsy an’i Jona : Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto ! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.

and: 10– Hoy ny olona tamin’i Jona : Adray izato ataonao izato! Fa fantatry ny olona fa nandositra teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra izy satria efa nambarany taminy izany.

8/11  > Jona 2 : 7 – Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho. Ny hidin’ny tany nanidy ahy mandrakizay.

Nefa nampiakatra ny aiko avy ao an-davaka Ianao, Tompo Andriamanitra ô.

9/11  > Jona 3Ny fifonana nataon’ny Jona tamin’Andriamanitra, niaraka tamin’ny vahoaka sy ny Mpanjaka.

and: 8- 10 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny làlany ratsy sy ny fandozana eny an-tànany avy izy rehetra. Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika.

Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny làlan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.

10/11  >   Jona 4 (Jona be ambopo)

and : 3 – Hoy Jona tezitra tamin’Andriamanitra:  Andriamanitra ô, esory ny aiko, fa aleoko ho faty toa izay ho velona

and : 4 – Hoy Andriamanitra : Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?

and: 10 – Hoy Andriamanitra : Ianao malahelo ny tanatanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray  alina monja ary maty indray alina koa. Ka moa Izaho tsy mba alahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehiba va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa ?

*******

11/11 > Habakoka 1: 13 – hoy Habakoaka : Ianao, izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy. Ary tsy mahajery fahoriana. Nahoana Ianao no mijery izay mamitaka. Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka marina noho izy.

12/11 > Habakoka 2 :4 – Indro, feno avonavona ny fanahin’ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny. Fa ny marina amin’ny finoana no ho velona.

13/11 > Habakoka 3: 17 – 19 – fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy. Ary tsy misy voany ny voaloboka. Na dia mahadiso fanantenana aza ny olive. Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha. Na dia vonoina aza ny ondry ao main’ny vala. Ary tsy misy omby ao am-pahatra.

Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ny Tompo Andriamanitro ihany. Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.

Tompo Andriamanitra no tanjako. Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy. Ka mampadeha ahy any amin’ny havoanako.

*******

Eto dia ny epistily nososratan’I Jaona. Tsy afangaro amin’ny Filazantsaran’I Jaona akory.

14/11 > 1 Jaona 1 : 5 – Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

15/11 > 1 Jaona 2 : 9 –  Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany.

16/11 > 1 Jaona 2: 17 – Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

17/11 > 1 Jaona 3 : 7 – Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny marina tahaka Azy.

18/11 > 1 Jaona  3 : 14 – Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana  ho amin’ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany.

19/11 > 1 Jaona  : 20-21 – Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny izay hitany. Ataony ahoana  no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany?

Ary izao no didy efa azontsika tamin’Andriamanitra. Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa

20/11 > 1 Jaona 5 : 14 – Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika  Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona angatahantsika, dia fantatsika fa azontsika izay hangatsika aminy.

21/11 > 2 jaona 1 : 4 – Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray.

22/11 > 3 jaona  1  :  11 – Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba mahita an’Andriamanitra.

*******

23/11 > Malakia 1 : 14 – Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo Andriamanitra.

24/11 > > Malakia  2 : 8 – Fa ianareo kosa dia efa nivily làlana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ny fanekena ny amin’ny Levy(mpisorona), hoy Andriamanitra Tompon’ny maro.

25/11 >  Malakia 3 :10 … Ary izahao toetra amin’izany Aho hoy Andriamanitra, Tompon’ny maro, raha tsy hovahako ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana mananan amby ampy ho anareo….and 12 –  Ary  ianareo ataon’ny firenena rehetra hoe : sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Andriamanitra Tompon’ny maro.

26/11 >   Malakia  3 :20 – Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fahasitranana ao amin’ny tànanay, ary hivoaka ianareo ka hifalyhavanja toy ny zanak’omby mifahy.

*******

27/11 > 1 Pierre 1 : 1 – Petera, Apostolin’i Jesosy kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia dia olom-boafidy araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinana ny Fanahy, ho amin’ny fanarahana sy ny famafazan’ny ran’i Jesosy Kristy: hampitomboina ho aareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.

28/11 > 1 Pierre 1: 22 – Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo. And: 23 – fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra.

29/11 > 1 Pierre 2 : 1-2 – Koa esory ny lolom-po rehetra sy ny fitaka rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra. Fa Tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena.

30/11 > 1 Pierre 2: 17 – Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpitondra.