Aza ataonao toy ny tamin’ny andron’i Adama ny fitsangatsangananao ety an-tany Andriamanitra ô ! Tsy mbola vonona handray Anao izahay. Betsaka loatra ny fahasimbana ao amin’ilay paradisa nomenao. Mijanonà any an-danitra any aloha, hoy ny sasany. Tongava mihitsy hoy ny hafa fa rava ny akamaroan’ny zava-tsoa nomenao anay.Tongava hanampy anay ! Mety ve izany eritreritra izany ? nefa Ianao no Tompon’ny lanitra sy ny tany. Afaka mivezivezy tsy mila fangatahana fidirana.Tsy mila pasipaoro. Tsy mila fierana. Toa Ianao indray no asainay mangataka aminay Andriamanitra ô!

Ovay ny fonay  sy ny sainay !

Aza ataonao toy ny tamin’ny andron’i Abrahama sy Saraha  ny fitsidihinao. Naniraka ireo anjely Ianao.  Abrahama no zatra mandray vahiny, fa izahay mila mametra ny fotoana hihaonantsika. Feno vahiny ato aminay ka tsy afaka mandray Anao izahay. Miandrasa kely aloha fa manahirana . Mety ve izany eritreritra izany ê ? Ianao Andriamanitra indray no hasainay mandefitra.

Ovay ny fonay  sy ny sainay !