TOMPO Andriamanitray ô tsy miova Ianao. Tsaroanay ankehitriny fa miovaova izao rehetra izao eny fa na dia ny heverina tsy hiova mihitsy aza toy ny toetr’andro. Betsaka Tompo tato ato ny zava-nitranga izay tsy nampoizina ary tsy takatry ny sainay olombelona. Tsaroanay etoana i Allemangne, Autriche, Tchequie, Slovaque, Chine izay nadalovan’ny tondra-drano. Ary tsy ela akory dia ny faritra atsimon’Frantsa. Betsaka tokoa ny zavatra simba. Ao ny very fananana, very asa fivelomana. Misy ny sasany potika tao anatin’indray andro monja ny nohariana mandritry ny taona maro. Misy ary indrisy fa tsy vitsy ny namoy hava-tiana.

Manoloana izany tsy misy azonay atao afatsy ny mivavaka Aminao. Jereo ireo rehetra miraviravy tanana, todio ireo very fanantenana. Ataovy tsapany fa Andriamanitra mora azo amin’ny fahoriana Ianao. Velomy indray ny fanantenany ary hampioreny ny finoany anao ho Tompo ny hery rehetra. Ny hivavahanay koa Tompo dia ny hahatsiarovan’ny olombelona fa mazàna avy aminy ihany no mahatonga izany fiovana betsaka mahazo an’izao tontolo izao. Ny fanimbana tsy ampiheverana ny tontolo iainanay , ny fitiava-tena, ny fitiavan-kely, ny tsy mijery afa tsy ny tombotsoany, izany mazàna no mameno ny olombelona ka hampiasaina sy hanimbany amin’ny fomba rehetra ny zava-boahary noforoninao. Hanadinony fa tany mahafinaritra loatra no nomenao anay ka tokony hatao izay hikajiana azy. Tsy ho ela dia ho avy ny fotoanan’ny cyclone eto Madagasikara. Dia ho diso ve izahay raha angataka manokana aminao ho an’i Madagasikara ny mba hiarovanao azy mandritry izany fotoana izany. Na dia miovaova aza izao rehetra izao Ianao kosa tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Amin’ny anaranao Tompo no hangatahanay izany. Amena.

FAMPAHATSIHIVANA « Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ary aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano » Gen 1 : 1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy  » Gen 2 : 1 « Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany » Gen 1 : 25

TSODRANO « Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria izany no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asa rehetra izay noforonony tamin’ny nanaovany azy » Gen 2 : 3 « Jesosy Kristy Tompotsika sy Andriamanitra Raintsika Izay tia antsika ka nanome antsika ny fanatenana tsara amin’ny fahasoavany, Izy anie no hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra  » 2 Tes 2 : 16,17